« Comédie musicale »: manohy ny diany ny Sahhaf Kaompania

“Tsy ny fahasoratan’ny lalana no hilavona lefona, fa mainka aza tokony hanosika hiezaka mafy izany hanatrarana ny tanjona iombonana”, hoy ny Sahhaf Kaompania. Hanohy ny diany ry zareo…

Sahhaf Kaompania tarihin’i Sah, niforona tamin’ny taona 2017. Miompana amin’ny filalaovana “comédie musicale” ny kaompania. Folo mahery eo ny isan’ny tantara efa nolalaoviny teny an-tsehatra nandritra izay nijiroany izay. Nanapa-kevitra ny Sahhaf Kaompania fa hanohy ny lalany eo amin’ny tontolon’ny kanto efa nataony hatramin’izay. Hanatevina sy tsy hitsahatra ny hanatsara hatrany. Hiaka-tsehatra indray ny kaompania ny alahady 12 novambra 2023 ho avy izao, amin’ny 2 ora, ao amin’ny Ivokolo Analakely, hitondrany an’ilay tantara (comédie musicale) mitondra ny lohanteny hoe « Mumba », nosoratan’i Sah.

Mifono hevitra lehibe ilay anarana

Sahhaf, notsongaina avy amin’ny anarana hoe « sahafa ». Fitaovana fampiasan’ny Malagasy amin’ny fiainana andavanandro. Maro ny zavatra afaka atao ao anatiny. Tahaka izany koa ny Kaom­pania Sahhaf. Iangaliany avokoa rehefa zava-kanto, toy ny dihy, hira, tononkalo, slam, teatra, sns. Noraisin’ny kaompania ho filamatra ny hoe “Andrianiko ny teniko, ny an’ny hafa koa feheziko”. Tsy mijanona amin’ny fitrandrahana ny kolontsaina malagasy irery ihany man­tsy ny kaompania fa mivelatra kokoa eo anivon’ny iraisam-pirenena. Tanora 10 mianadahy ny mpikambana ao anatin’ny Sahhaf. Anisan’ny tanjon-dry zareo rahateo ny hitrandraka sy hanome sehatra ny talentan’ireo tanora malagasy.
Nohamafisin’izy ireo fa misokatra amin’ny fiaraha-miasa amin’ny olon-drehetra ny Kaompania Sahhaf.

Nanangona : HaRy Razafindrakoto

Partager sur: