Miditra amin’ny dingana faharoa ny fanelanelanana. Nanao ranolava ny fandraisan’ireo raiamandrenim-piangonana ireo sokajin’olona sy avy amin’ny sehatra samihafa, omaly, tetsy Ampandrana. Tafiditra amin’ny ezaka tanterahin’ny FFKM ho fikarohana vahaolana manoloana ny toe-draharaham-pirenena izany, araka ny loharanom-baovao. Anisan’ny noraisin’izy ireo tamin’izany ny eo anivon’ny Ceni. Efa fanintelony izao no nandraisan’ireo filoham-piangonana ireo ity rafitra mikarakara ny fifidianana ity. Taorian’izany ny fandraisana ny filohan’ny Antenimierampirenena, Razanamahasoa Christine. Fanindroany izao no nihaonany tamin’ny FFKM. Efa nandray azy manokana ireo raiamandreny ara-pinoana ireo ny faran’ny volana septambra teo, ankoatra ny nandraisan’izy ireo ny filohan’ny HCC, Rakotoarisoa Florent sy ny filohan’ny Antenimierandoholona teo aloha, Razafimahefa Herimanana tamin’
izany fotoana izany.
Nitohy tamin’ny fihaonana teo amin’ireo Olobe sy Tangalamena ary koa raiamandreny ara-drazana izany fandraisan’ny FFKM ireo sokajin’olona ireo. Tonga eto Antananarivo rahateo amin’izao fotoana izao ny ankamaroan’ireo solontenan’ny Ampanjaka manerana ny Nosy ireo.
Tsiahivina fa fivoriana nikaton-trano, tsy azo natrehina avokoa izao notarihin’ny FFKM niaraka amin’ireo sehatra samihafa ireo izao.
Synèse R.