Fiovaovan’ny toetr’andro : 20% amin’ireo aretina mpahazo ny olona ary aretina atahorana dia ny “allergie”

Mirongatra be ny aretina “allergie”, indrindra ny “al­ler­gie respiratoire” eto Antana­na­rivo, amin’izao fotoana izao. Ani­san’ny mahatonga izany ny fi­tom­boan’ireo akora simika.

Manodidina ny 15 hatramin’ny 20% ireo trangana “allergie”, tonga eny anivon’ny toeram-pitsaboana amin’izao vanim-potoana izao, raha ny antontanisa voaray teo anivon’ny CMS etsy 67ha. Tafiditra ao anatin’ny aretina atahorana ny “allergie”, indrindra rehefa mahazo ny taovam-pisefoana. Misy ireo sokajy mety hitarika fahafatesana tampoka, rehefa misy mivonto ny ao amin’ny lalan-drivotra. Miteraka fikorontanana eo amin’ny vatan’ny olombelona ary mety hitarika amin’ny fahafatesana tampoka mihitsy raha tsy voatsabo. Amin’ny ankapobeny, fisehoan-javatra amin’ny vatan’olombelona noho ny tsy fahazakana zavatra atao hoe «allergène» izany. Misy ireo akora miditra na mikasika na hohanina ny mahatonga izany. Mety sakafo hohanina, na zavatra ahosotra na atsindrona na mikasika ny vatan’ny olombelona ka miteraka fisehoan’ireo karazan-javatra maro amin’ny vatana.
Antony maro samihafa ny mahatonga ny aretina, raha ny fanazavan’ny mpitsabo. “Miha mitombo ny akora simika, ny karazana setroka ma­loto avy amin’ny orinasa mpamokatra isan-karazany eto amin’ny Nosy sy avoakan’ny fiara”, hoy ny Dr Rakotonin­drina Norbert, mpitsabo eny amin’ny Centre Medico-Social etsy 67ha. Ankoatra izay, mitombo ihany koa ny fofona ateraky ny loto amin’ny tatatra … Anisan’ny vanim-potoana hitrangan’ny aretina ny andro ririnina sy ny fiantombohan’ny fahavaratra. Miakatra ny fofon’ny tany, fotaka, loto isan-karazany rehefa avy ny orana. Manampy izany ihany koa ny fiovaovan’ny toetr’andro tampoka. Toy ny mangatsiaka, mivadika mahamay tampoka. Ny andro mafana mivadika ho mangatsiaka tampoka ihany koa. Anisan’ny mampihetsika tampoka ny allergie ihany koa izany.

Miseho amin’ny endrika maro samihafa

Betsaka ny fisehoan’ny “allergie” eo amin’ny vatan’ny olombelona amin’ny ankapobeny fa miankina amin’ny olona tsirairay izany. Misy ny mangidihidy amin’ny hoditra, antsoin’ny olona hoe tandimerina. Mety miseho amin’ny maso mangidihidy ihany koa izany. Misy ihany koa any amin’ny sofina, orona, lanilany… Misy indray miseho amin’ny kohaka tsotra izao, ny mievona lava, rehefa maheno fofom-bovoka na fofon-tany. Misy mihitsy ireo mitarika amin’ny fahasemporan’ny olona iray rehefa tena mihalalim-paka ny aretina, raha ny fanazavan’ity mpitsabo ity. Mety hiseho any amin’ny kibo ihany koa izany, ary miteraka fivalanana mihitsy. Ankoatra izay, mety hitarika amin’ny allergie ihany koa ny tsy fahazakana ireo vokatra samihafa, ahitana akora simika betsaka ka ahosotra amin’ny vatana.

Exif_JPEG_420

Aretina manaranaka

Manaranaka ny aretina “allergie” fa tsy voatery ho voan’ny aretina avokoa ireo zanany rehetra. Mety tsy ho tratry ny aretina ny zanany fa any amin’ny zafikeliny no mety ho voa. Mety ho tratra avokoa ny antsasaky ny zanany raha samy alerzika avokoa ny mpivady. “Azo tsaboina tsara ny aretina fa tsy afaka hatramin’ny fotony”, hoy hatrany ny Dr Rako­tonindrina Norbert. Azon’ny mpitsabo atao tsara ny mitsabo sy manala ireo mangidihidy amin’ny vatana, ny tandimerina, ny kohaka, ny mievonevona lava, ny tsentsina any anaty orona, manala ny sempotra…. Fa mbola miverina indray iny rehefa tonga amin’ny vatana ireo zavatra tsy zakany.
Ankoatra izay, miteraka fahasarotany indray izany raha toa ka tsy voatsabo ara-dalàna. Mety ho lasa areti-tenda, pneumonie, bronchite ihany koa izany. Ilaina ny fahafantarana sy ny tsy fihinanana ireo zavatra tsy zakan’ny vatana ho fisorohana ny aretina. Eo koa ny tsy fifampikasohana amin’
ireny karazana zavatra tsy zaka ireny. Tsy mihetsika ny aretina rehefa hajain’ny olona ireo fepetra ireo.

Ilaina ny fahazahoana rivotra madio ao an-tokantrano
Ho an’ireo manana olana amin’ny fitrangan’ny allergie amin’ny taovam-pisefoana. Tsy maintsy atao madio ny rivotra, indrindra amin’ny alina. Anisan’ny mampihetsika haingana ny aretina ny fihenan’ny tahan’ny rivotra madio (02) nefa mitombo ny tahan’ny rivotra maloto (CO2) miditra eo ani­von’ny efitrano. Eo koa ny fahazakana ny setroka avy
amin’ny odimoka ampiasaina ao an-tokantrano sy ny tsy fahazakana miara-matory amin’ny biby.
Manodidina ny 10 000 Ar eo ny fitsaboana ny aretina raha tsotsotra ny fisehoan’ny aretina.

Nanatontosa : Mino
Sary nomena

 

Partager sur: