Mampifandray ny lalam- pirenena RN1 sy ny RN7 ny eo Anosizato, mianatsimo, mandalo Ampanefa Ankadivoribe, Antanetikely. Harenina ity lalana, mirefy 18 km, ity, ary ho vita ao anatin’ny enim-bolana.
Nanomboka tamin’ny fomba ofisialy, omaly 2 novambra 2023, ny asa fanamboarana ny lalana rezionaly eto amin’ny faritra Analamanga (RR-ALG-1), miainga eo Anosizato-sampanan-dalana RN S1, hatrany Antanetikely, mandalo an’Ampanefy ary mivoaka any amin’ny lalam-pirenena fahafito (RN7).
Nitarika ny fanombohana ny asa ny minisitry ny Asa vaventy, ny kolonely Andriantrehina Ndriamihaja, notronin’ny olo-manakaja maro, toy ny solombavambahoaka Atsimondrano, ny lehiben’ny distrika Atsimondrano ary ireo ben’ny Tanàna voakasiky ny tetikasa. Teo koa ny mponina any an-toerana.
Miisa enina ny kaominina hisitraka ity tetikasa ity, Anosizato Andrefana, Soavina, Ampanefy, Ankadivoribe, Ampahitrosy ary Antanetikely. Mandalo tanàna 10 (Anosizato Andrefana, Vahilava, Ambavarano, Ambolomborona, Soalandy, Beravina, Ankorondrano, Ampahitrosy, Lohanosy ary Antanetikely.
Mitentina 4,92 miliara Ar
Mirefy 18 km ity lalana ity, ka hatao rarivato ny antsasany 9,4 km ary haharitra enim-bolana ny asa hataon’ny orinasa R.S. Mitentina 4.929. 937.321 Ar ny tetibola hanaovana azy avy amin’ny Tahirimbola ho an’ny lalana (FR). Izany hoe, manome salanisa 273.885.406 Ar isaky ny kilometatra. Anisan’ny asa hatao ny hampiakarana ny haavon’ny lalantany sy ny fefiloha, mirefy 7,7 km. Hatao godirao ny fivoahana eo Anosizato. Hamboarina ny lalana tena ratsy mivoaka any amin’ny RN 7. Harenina ny lakandrano.
Tsiahivina fa nandalo tany an-toerana ny praiminisitra Ntsay Christian, efa iray volana mahery izay, nampanantena fa hatao ity asa ity ary izao manomboka izao.
Njaka Andriantefiarinesy