Nanohy ny fampielezan-kevitra tany Ambalavao, Vohibato, Lalangina ary Isandra ny kandidà laharana fahatelo, Rajoelina Andry, omaly. Nofaritany tamin’izany ny tokony ho mpitondra ny firenena.
Nambarany tamin’izany fa misy ny fahafaham-po lehibe rehefa nampanantena ka tanteraka izany… Anisan’izany ny fotodrafitrasa manara-penitra naorina amin’ireo kaominina sy distrika ireo. “Mila filoha tanora sy akaiky azy ary miara-mihosina aminy ny vahoaka. Tsy maintsy mandresy isika rehefa manao fifaninanana ary tsy manaiky gisitra”, hoy izy tamin’izany. Nanteriny fa ho voalohany amin’ny fampandrosoana, tahaka ny tamin’ny lalaon’ny Nosy ka nibatana ny medaly betsaka indrindra. Manàna finoana sy fitiavana fa ho vita ny fanamby apetraka, araka ny nambarany. Notsiahiviny avy eo fa tsy resy mihitsy
ny tenany tamin’ny politika. Nandresy hatrany tamin’ny fifidianana natrehany : ny ben’ny Tanànan’Antananarivo sy ny fifidianana filoham-pirenena. “Mbola handresy indray koa amin’ity ary tsy maintsy manova sy mampandroso ny firenena isika…”, hoy ihany izy. Nambarany fa miisa 13 izy ireo no mpifaninana ary efa nandeha ny fiaingana.
Tsy maintsy tanterahana ny fampantenana
Efa niainga sy mandeha haingana ary ho tonga hatrany amin’ny farany isika, araka ny nambarany hatrany. Notanisainy tamin’ireo toerana nolalovany ireo ny ezaka vita. Eo ny fanorenana fotodrafitrasa : EPP, CEG, Lycée, CSB, hopitaly. Ny lalana sy ny ny fametrahana ny toby miaramila, hampihenana ny tsy fandriampahalemana amin’ireo faritra ireo.
Natsidiny fa hanakaiky vahoaka ny tenany amin’ny 5 taona manaraka. Anisan’izany ny hanampiana ny fikambanam-behivavy, ny marefo sy ny tanora. Ireo tsy an’asa ary ny vahoaka manontolo. Manampy izany ny hisitrahan’ny isan-tokantrano jiro… “Tsy maintsy tanterahina ny fampanantenana ary hanavotra ny firenena no antony hijoroako”, hoy izy.
Synèse R.