Kitra – « Mondial 2026 »: tafaverina anatin’ny lisitry ny Barea i Njiva

Nivoaka ny alarobia lasa teo, tao anaty tambajotran-tseraseran’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), ny lisitr’ireo Malagasy mpilalao handrafitra ny Barea de Madagascar.
Miisa 28 mirahalahy izy ireo, raha toa ka enina amin’ireo ihany no avy eto an-toerana. Tafaverina anatin’ny lisitra nataon’ny mpanazatra ny Barea, Rakotondrabe Romuald Felix na Coach Rôrô, ilay Malagasy lohalaharana, Rakotomalala Njiva Tsilavina, milalao any Thaïlande. Niverina nanamafy ny Barea ihany koa i Kendji Van Boto sy Thomas Fontaine ary Mathyas. Ankoatra izay, ahitana mpilalao vaovao ity lisitra ity. Anisan’izany i Demoleon Louis, milalao ao amin’ny klioban’ny Molfetta Calcio, i Clement Couturier, vodilaharan’ny Swift Hesperange ary i Caddy Warren, milalao ao amin’ny Annecy FC. Marihina fa ny 17 novambra ho avy izao, any Ghana, no hihaona amin’ny Black Star Ghana ny ekipa nasionaly Barea de Madagascar. Ny 20 novambra, any Maroc, hifanandrina amin’i Tchad i Madagasikara. Tsara ny mampahafantatra fa lalao roa tafiditra amin’ny fiadiana ny tapakila hiatrehana ny «Mondial 2026», izay hotanterahina any Etats-Unis, ity hatao ity.

Fitia Randria

Partager sur: