Lomano -Tendrinavalona Idealy : manomboka miditra amin’ny matihanina

Misitraka vatsim-pianarana avy amin’ny “World Aquatics” any Thaïlande, amin’izao fotoana izao, ny Malagasy mpilomano, i Tendrinavalona Idealy. Nisy ny resadresaka nifanaovana taminy.

*Gazety Taratra: Afaka hazavainao ve ilay vatsim-pianarana azonao?
– Tendrinavalona Idealy: Ilay vatsim-pianarana omen’ny “world aquactics” isan-taona ho an’ny atleta izay mendrika ao amin’ny firenena iray. Mifandimby ny lehilahy sy vehivavy mandeha isan-taona. Hahatonga anao ho matihanina kokoa amin’ilay sehatry ny lomano ilay izy. Izany hoe, mifantoka kokoa amin’ny “carrière” sy ny “performance”.
*Ny nahatonga an’i Tendry voafidy tamin’ity taona ity?
-Izaho no voalohany tamin’ny “test de classement” farany, natao sy niatrika ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany farany, tany Japon. Efa tokony tamin’ny 2021-2022 no efa nandeha fa mbola tsy ampy taona dia i Antsa no nalefa aloha.
*Ny nandraisanao izao fahazoana vatsim-pianarana izao?
– Efa ela no niandrasana ilay izy dia faly hoe mba tena hiditra anaty matihanina tanteraka mihitsy izany, hafa ny fepetra ara-batana, ara-tsaina sy ny sisa.
*Inona no mbola mila harenina ho anao, eo amin’ny taranja lomano?
– Ny lafiny Teknika, eo amin’ny karazana lomano rehetra mba hahazoana ilay “centièmes, secondes” kely ireny sy hahazoana fe-potoana tsara. Hamaky “records personnels” sy “record national”. Eo koa ny “renforcement musculaire” sy ny resaka ara-tsaina ahafahana mahazo vokatra tsara kokoa.
*Inona ny antenainao aorian’ity vatsim-pianarana ity?
– Mba ho tratra ireo tanjona rehetra voalazako ireo satria feno tsara ny fepetra. Mba hiakatra ihany koa ny haavo teknikako eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.

Mi.Raz

Partager sur: