Samy fetsy

 

13 andro sisa dia higadona ny fotoana hanaovana ny fifidianana eto Madagasikara. Miroso ny fampielezan-kevitra ataon’ny kandidà miisa telo. Tsy misy ny olana na sanatriavin’ny vava korontana mandritra ny famoriam-bahoaka ataon’izy ireo. Milamina ihany koa ny fitetezana tokantrano ataon’ny komity mpanohana azy ireo. Marihina fa ankoatra ny hetsika iarahana amin’ny besinimaro, maro ny ekipa mandeha any anelakela-trano sy manao fandresen-dahatra.
Etsy ankilan’izay, manao amboletra ny kandidà 10 ambiny amin’ny hisian’ny ra mandriaka. Hisy ny amboletra hatao mba hahazoana fahefana. Tsy mahataitra, satria mahazo toky rahateo amin’ny mpampirisika. Mazavabe ny an’ny vahiny, mila kianja azo hilalaovana sy hijabahana izy ireo. Mila saribakoly afaka ny hanao “oui…oui…mise” izy ireo. Mazavabe, mora ny mandresy lahatra olona mangetaheta fahefana.
Mila fahamailoana avokoa izany ho an’ny sarambabem-bahoaka, satria sanatrian-dresaka ka handrora miantsilany, hanome vahana ny korontana mety hanimba misimisy kokoa ny efa marefo. Zava-doza ary tsy maintsy hisainana ihany koa ity afitsoky ny firaisamonimpirenena sasantsasany ity. Lasa mpikarama an’ady ary tena mampiseho fitanilana amin’ny firehana iray. Lasa miangatra any anaty famakafakana.
Saro-pady ny toe-draharaham-pirenena misy, ankehitriny. Ilana fitandremana satria mety hisy ny singam-bolo handavo ny vositra ka handetika ny firenena any anaty lavaka mangitsokitsoka. Mainka hitondra any anaty fahoriana lalina dia lalina. Tsy izay sokajin’olom-bitsy afaka ny hitsoaka, hiala eto Madagasikara rehefa voky an-tendakely no hamiravira ny hasin’ny Malagasy 26 tapitrisa eo ho eo. Mila fandinihana lalina satria samy mahay miresaka sy fetsy ratsy ry zareo manampahaizana, misora-tena ho tompon’ny vahoaka!

r.r

Partager sur: