Sarimihetsika: namiratra indray i Luck Razanajaona

Nivoaka tamin’ny fiandohan’ity volana novambra ity ny vaovao tsara ho an’i Luck Razanajaona, mpanatontosa sarimihetsika. Nitombo indray ny vatsy azony, avy amin’ny tetikasa « Fonds pour la jeune création francophone », ta­min’ny alalan’ny horonantsary « Mia » notontosainy. Vatsy mitentina 11 000 euros no azony vokatr’izany. Raha tsiahivina, horonantsary nataona tanora mpanatontosa afrikanina, miisa 13 no nosafidiana tao anatin’izany.
Mitohy hatrany ny fahombiazana ho an’i Luck Raza­najaona. Mitotaly 31 000 euros, araka izany ny vatsy azony avy amin’ny “Fonds pour la jeune création francophone”. Tamin’ ny alalan’ny sarimihetsika lava, nampitondrainy ny lohateny hoe « Disco Africa » no nandrombahany ny vatsy 20 000 euros, izay natolotra azy nandritra ny « Festival Africano » ny volana mai 2023. Ny fiandohan’ity volana ity kosa no na­nambarana ny nahazoany ny vatsy manaraka, tamin’ny alalan’ny sarimihetsika fohy, nampitondrainy ny lohateny hoe « Mia ».
Ny 2 oktobra 2023 teo no voafidy ho anisan’ny tetikasa 13 ho fantenana izay hisitraka ny vatsy ny sarimihetsika notontosain’i Luck Razana­jaona.

Lin

Partager sur: