Tranga hafahafa: lehilahy hita faty notapahin-doha

Miverina indray ny fanapahan-doha ao amin’ny faritr’Ihorombe. Raim-pianakaviana iray hita faty tao Antamenaka, distrikan’Ihosy, omaly.

Raim-pianakaviana iray no novonoina tamin’ny fomba feno habibiana tao amin’ny toerana misy ny fasam-bahiny ao Antame­naka, distrikan’Ihosy, omaly maraina. Olona handeha ha­nati-bonin­kazo no nahatsikaritra zavatra hafahafa. Lehilahy iray nitsirara tamin’ny tany ary efa tsy nisy loha intsony. Niantso ny mpitandro filaminana sy ny mpitsabo avy hatrany hijery ny zava-nisy ireo nahita ny razana. “Tsy hita ny lohan’io rangahy io”, hoy ny loharanom-baovao any an-toerana. Avy any Ambatolampy saingy mipetraka ao Ihosy miaraka amin’ny vady aman-janany ity lehilahy ity. Natsi­pin’ireo nahavanon-doza tao anaty kirihitra ny fatiny. Mbola nisy nahita nisotrosotro toaka tao an-tanàna izy ny alin’ny alarobia teo. “Tsy misy azo ambara fa anatin’ny fanadihadiana tanteraka izahay eto anivon’ny polisim-pirenena amin’izao fotoana”, hoy ny nambaran’ny kaomiseran’ny polisy ao Ihosy.

Miseho lany…

Andrasana ny tohin’ny fanadihadian’ny mpitandro filaminana ao an-toerana. Tsiahivina, olona telo nidoboka am-ponja vokatr’io raharaha fanapahan-doha io tao Ihosy, ny volana jolay lasa teo. Niseho lany io tranga famonoana olona io nanomboka ny volana mai teo. Voa­kasik’izany ny fahitana fatin’
olona tao Tanambao Rano­hira, Manombo, Soma­tasy sy Ihosy tampon-tanàna. Nano­katra fanadihadiana lalina ny polisy sy ny zandary nanomboka ny volana jolay teo. Nangingina ny raharaha fanapahan-doha saingy niverina indray izany, roa volana aty aoriana.

Tsiferana R.

Partager sur: