Zaza roa namoy ny ainy ary olona 30 manaraka fitsaboana noho ny fihinanana soka-drano tao amina fokontany iray anatin’ny kaominina Andranovondronina, disitrikan’i Antsiranana II, afakomaly. Nitaraina narary an-doha sy kibo avokoa ireo rehetra nihinana io karazan-tsokatra “Fano” io. Nentina nihazo ny toeram-pitsaboana avokoa ireo marary.
Takalonaina iray avotry ny polisim-pirenena teny am-pelatanan’ny mpaka an-keriny tao amin’ny tanànan’ Ankazoabo, kaominina ambanivohitr’Ampanihy, Distrikan’i Mahabo, ny 29 oktobra teo. Nahatazana ny mpitandro filaminana nanao fitsirihana tampoka ny jiolahy ka vaky nitifitra. Nitsoaka nandositra ireto farany ka votsotra ny lehilahy iray nalaina an-keriny.
Lehilahy nanapaka hazo an-jatony tao amina valan-javaboahary ao Marolambo, naiditra am-ponja ny 31 oktobra teo. Hazo tamin’ny velarantany nisy hazo manodidina ny 1,5 ha no fongana tanteraka. Nokasain’io lehilahy io hambolena indray ny tany taorian’izay. Nosamborina izy ka nigadra.
Navoakan’ny olon-dratsy teny ivelan’ny
fasana ny taolam-balo miisa roa tao Ambararata, kaominina Mahatsinjo, distrika Vondrozo, 28
oktobra lasa teo. Namerina ireo taolam-balo ireo ny fokonolona sy ny tomponadraikitra ao an-toerana kinanjo efa razana maromaro tsy hita tao am-pasana intsony.