Ny alarobia lasa teo, nandefa taratasy tany amin’ny minisiteran’ny Fanatanjahantena sy ny tanora (MJS), ny Federasiona iraisam-pirenen’ny taranja tsipy kanetibe (FIPJP). Voambara tao anatin’ity taratasy ity fa tsy afaka miatrika ny “Mondial”, izay hatao any Bangkok, ny 22-27 novambra ho avy izao, ireo sokajy lehilahy “Junior” sy vehivavy “senior” malagasy.
Tsy fanarahan-dalàna ataon’ny mpitondra malagasy no tena antony izany raha ny voalazan’ny FIPJP. Ankoatra ity sazy vaovao ity, hiakatra amin’ny filankevitry ny fitsipi-pifehezana “Conseil de discipline” (Codis), Andriamilerovason Amiroudine, filohan’ny Federasiona malagasin’ny Tsipy kanetibe (FSBM). Hotanterahina any Bangkok, ny 22 novambra ho avy izao, izany. “Karazana paikady entina anesorana ahy eo amin’ny toeran’ny filohan’ny FSBM izao ataon’i Claude Azema, filohan’ny FIPJP izao”, hoy ny filohan’ny FSBM. Misy olona tian’ity filohan’ny FIPJP ity hapetraka eo amin’ny toerako ka manao fanerena amin’ny MJS izy ireo mba hahafahany mametraka io olona io, raha ny filazan’ny lehiben’ny FSBM ihany. “Nilaza tamiko i Claude Azema fa tsy manana olana amin’i Rosa Rakotozafy intsony izy”, hoy ihany ity filoha ity.
Etsy ankilany, ny taratasy nalefan’i Claude Azema, milaza fa : “Raha tsy afaka mandray anjara amin’ny lalao iraisam-pirenena intsony ireo Malagasy mpilalao tsipy kanetibe, tomponandraikitra amin’
izany ireo olona sasany eo anivon’ny MJS, izay tsy mijery afa-tsy ny tombontsoany manokana fa tsy ny an’ny rehetra”.
Marihina fa ny ekipam-pirenena malagasy “Junior” lehilahy sy “senior” vehivavy, efa nanoman-tena nandritra ny iray volana mahery. Tsiahivina fa efa tamin’ny taona 2021, nandray anjara farany tamin’ny Mondial, izay natao tany Espagne i Madagasikara. Nosaziana herintaona ny federasiona avy eo noho ny tsy fandoavana ny trosa tamin’ireny dia tany Espaina ireny. Raha nesorina io sazy io, niseho indray ny olana manaraka.
Fitia Randria