Niverina indray ny hetsika Fotsy, an’ny vondron’ny kandidà, taorian’ny dinika maro samihafa. Somary nivoaka kely ny renivohitra izy ireo tamin’ny hetsika omaly ary sahala amin’izay ihany koa ny amin’ity anio ity.
Nitohy teny amin’ny kaominina Ambohitrimanjaka, ao anatin’ny distrikan’Ambohidratrimo, ny hetsika Fotsy nataon’ny vondron’ny kandidà, omaly. Sahala amin’ny mahazatra, nisy ny dia an-tongotra, niarahan’ireo kandidà tamin’ny mpanohana sy mpiara-dia aminy, nitohy tamin’ny kabary nifandimbiasan’izy ireo. Tazana nandritra ny hetsika avokoa ny kandidà mandrafitra ny vondrona, notronin’ireo solombavambahoaka avy amin’ny antoko miara-dia amin’izy ireo. Nanambara izy ireo nandritra ny fandraisam-pitenenany fa hitohy hatrany ny hetsika.
Teny Ambohitrimanjaka indray no ambohipihaonan’ny mpanara-dia sy mpanohana ny hetsika Fotsy, ataon’ny vondron’ny kandidà (C10). Niainga teo amin’ny tetezana miditra ny tanàna ary nifarana teny amin’ny kianja fanaovana hiragasy. Somary niteraka fanelingelenana tamin’ireo mpampiasa ny lalana ny hamaroan’ny mpanara-dia sy mpanohana ireto. Tapaka tanteraka mantsy ny lalana nandritra ny diabe namakivaky ny tanàna nataon’izy ireo ka niteraka fitohanan’ny fifamoivoizana. Anisan’ny nasongadin’
ireo kandidà nandritra ny fandraisam-pitenenany avy ny fanentanana ny olona ho eny amin’ny kianjan’ny 13 mey, amin’ny sabotsy 4 novambra 2023. Ho amin’ny anio, eny amin’ny kaominina Ambanivohitr’i Mahitsy no hanatanterahina ny hetsika Fotsy.
Somary niavaka kely tamin’ny hetsika fanaon’ny C10 hatramin’izay iny hetsika omaly iny. Tsy nahitana mpitandro ny filaminana mihitsy teny an-toerana sy tamin’ny lalan’ny mpanao diabe.
Lin