«African Schools Program» : nahazo 10 tapitrisa Ar ny mpandray anjara

Nifarana ny alakamisy lasa teo, ny fifaninanana nasionaly, taranja baolina, natao ho an’ireo sekoly teny anivon’ny Dren avy amin’ny faritra valo eto Madagasikara. Notolorana vola 10 tapitrisa Ariary avy ireo mpandray anjara tamin’ity fifaninanana ity. Nandrombaka ny amboaran’ny U15, lehilahy, sy ny U15, vehivavy, ny CEG Référence Vatovavy Fitovinany. Nalain’ny EPP Belinta Boeny ny amboaran’ny sokajy U-13. Marihina fa tetikasa tafiditra amin’ny «CAF African Schools Program» ity fifaninanana ity. Hentitra tanteraka amin’ny fanaraha-maso amin’ny hala-taona ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Araka ny vaovao voaray, natao hifantenana ireo Barea hanao Cosafa ity fifaninanana ho an’ny ankizy ity.

Fitia Randria

Tompondaka :
U13, lehilahy : EPP Belinta Boeny
U15, vehivavy : CEG Référence Fitovinany
U15, lehilahy : CEG Référence Vatovavy Fitovinany
Faharoa :
U13, lehilahy : CEG St Augustin Fitovinany
U15, vehivavy : CEG Fandriana Amoron’i Mania
U15, lehilahy : CEG Ampahimanga Itasy
Fahatelo :
U13, lehilahy : CEG Abdin Andriamirado Itasy
U15, vehivavy : CEG Morarano Alaotra Mangoro
U15, lehilahy : Jolis Citadin Atsimo Andrefana

Partager sur: