Ahina ny herisetra: manentana ny vahoaka ho tony ny EMMO-FAR

Mitaona ny vahoaka tsy handalo eny Analakely ny EMMO-FAR, anio. “Mety hisy hanapoaka grenady mahery vaika any anaty mpanao fihetsiketsehana ka aleo mitandrina”, hoy izy ireo

Nanao fanambarana, te­ny amin’ny Lapam-panjakana Ambohitsorohi­tra, omaly tolakandro, ny avy amin’ny État-major mixte opérationnel de la province d’Antananarivo (Emmo-Far).
«Natao izao fanambarana izao ho fandraisan’ny mpitandro filaminana ny andraikitra manandrify azy, manoloana ny fikasan’ny andian’olona hiditra eo amin’ny kianjan’ny 13 mey», hoy ny Kly Randriana­ri­masy Radosoa, lehiben’ny fari-piadidian’ny zandarimariam-pirenena eto Antana­na­rivo. Misy, araka izany, ny fepetra ho raisin’izy ireo ho fitandroana ny filaminana eny Analakely sy ny manodidina.
“Mandeha ny resaka fa misy olona mikasa ny hanapoaka fitaovam-piadina mahery vaika eny an-toerana anio, araka ny vaovao tonga ety aminay”, hoy hatrany ny Kly Randrianarimasy Radosoa. Vokany, hisy ny fisavana ny fiara sy ny olona rehetra mandalo eny an-toerana ataon’ny mpitandro filaminana, avy amin’ny Emmo-far. “Hisy ny fisavana ny kitapo ho an’izay mitondra izany, mandalo eny an-toerana rahampitso (anio)”, hoy hatrany ny fanambarana. Nanamafy izy ireo fa ho hentitra ny fitandroana ny filaminana sy ny fiarovana ny fananam-bahoaka.
Manao antso avo amin’ny vahoaka malagasy, indrindra ny eto Antananarivo, ry zareo ao amin’ny Emmo-Far mba ho tony. “Manentana izahay mba tsy hisy olona handalo eny Analakely sy ny manodidina, araka izay azo atao.”, hoy ny tompondraikitra nanamafy ny fanambarana.
Tsiahivina fa tafiditra amin’ny fandaharam-potoanan’ny hetsiky ny kandidà 10 ny fidirana eny amin’ny kianjan’ny 13 mey, anio. Teny amin’ny kaominina Mahitsy izy ireo no nifamotoana omaly.

Lin

Partager sur: