Miroborobo sy miha mahazo vahana eto Madagasikara ny fanodinana ireo fako isan-karazany. Vokatry ny fahatsapana ny fiparitahan’izany eny amin’ny toerana maro samihafa eto amin’ny Nosy, raha ny fanadihadiana natao.
Anisan’ny manimba ny tontolo iainana maneran-tany betsaka indrindra ny akora plastika. Maharitra aman-taona maro vao potika sy levona tanteraka izany, raha ny fanadihadiana nataon’ireo manampahaizana. Raha ho an’ny plastika manokana, maharitra 400 taona vao potika tanteraka izany. Antony iray mahatonga ireo olona, orinasa misehatra amin’ny fanodinana izany ho lasa akora vaovao azo ampiasaina indray. Tanjona ny hiarovana ny tontolo iainana sy hanomezana fiainana faharoa ireny karazana fako plastika ireny ary hanomezana asa ny tanora eto amin’ny firenena. Anisan’ny orinasa iray, misehatra amin’ny fanodinana ireo boatina fanafody ny R’Art Plast etsy Ambohimanga Ilafy. Famadihana izany hahazahoana landy, hanaovana asa tanana maro samihafa, toy ny fitoeram-bilia, jiro, poketra…. ny asa ataon’izy ireo amin’ny ankapobeny, raha ny fanadihadiana natao.
Mamokatra ny “laine polyfloss” na landy ny orinasa, izay teknika voalohany ataon’izy ireo. Ahavitana tady entina manenona lamba, poketra ary haingon-trano isan-karazany izany. Azo arandrana ihany koa ny akora mba hahazoana lamba ampiasaina amin’ny fisakafoana “set de table”.
Tavoahangy azo ampiasana milina
Misafidy ny tavoahangim-panafody izy ireo amin’ny ankapobeny satria azo ampiasaina amin’ny milina izy ireny. Ahitana laharana avokoa ny plastika, izay laharana 1, 2, 5. Ho azy ireo manokana, ny tavoahangim-panafody laharana faharoa no hahodin’izy ireo.
Mandalo dingana maro vao azo ampiasaina ny akora safidina. Voalohany, sasana amin’ny rano sy savony mandritra ny fotoana ela mba ho afaka ny loto. Amainina amin’ny masoandro mba ho afaka ireo otrikaretina mety mipetaka amin’ny tavoahangy avy eo. Kikisana mba hiala ny loko, potehina avy eo ary atsofoka any anaty milina ahazahoana ny singa “landy”. Rehefa izay, vao miainga amin’ny fanamboarana ireo zavatra tiana hamboarina aminy. Miainga eto ny fanamboarana sy famoronana zavatra hafa tiana havoaka amin’ny landy.
Ankoatra izay, tsy voatery atao anaty milina avokoa ny fanodinana ny tavoahangy platsika fa maro ireo teknika azo ampiasaina. Toy ny teknika “moulage”, “tressage”; “injection”, “rembourage” ary ny “inclusion”.
Nanodina fako plastika 3 taonina
Hatramin’ny nanombohan’ny asa, nanodina fako plastika hatramin’ny 3 t teo izy ireo, raha ny antontanisa voaray teo anivon’ny orinasa. Mampiasa tavoahangy plastika, boatina fanafody izy ireo amin’ny ankapobeny. Miara-miasa amin’ireo olona sy orinasa hafa izy ireo amin’ny fanangonana ny akora ampiasaina. Eny Andralanitra sy Andavamamba ary toerana maro samihafa ahitana fako plastika no toerana angalana ny akora. Aterina eny amin’ny laboratoara eny Ankadikely Ilafy izany avy eo ary eny no hanodinana azy.
Boatim-panafody 20 mahavita landy iray 120 g
Mila faharetana avokoa ny fanodinana ireo karazana fako, indrindra ny plastika. Mampiasa fitaovana toy ny milina izy ireo amin’ny fanaovana izany mba hahazahoana vokatra tsara. Misy tanora maro mivondrona eo anivon’ny R’Art Plast ary samy manana ny andraikiny avy izy ireo amin’ny fanodinana izany. Ahazahoana landy manodidina ny 120 g ny boatina fanafody 20 isa.
“Tombontsoa be ho anay ny fiseharana amin’ny fanodinana ireo tavoahangy plastika satria iaraha-malahalala ny faholotoan’ny tontolo iainana eto amin’ny Nosy ka antony naharesy lahatra anay hisehatra amin’ny fanaovana izany”, hoy Ramiliarison Alpha Julien, mpamokatra eo anivon’ny R’Art Plast. Nilaza izy ireo fa anisan’ny antoky ny fahombiazana ny fananganana orinasa, na dia kely aza no iandohana. Amin’ny ankapobeny, mahavelona tsara ny asa tanana ekolojika satria anisan’ny antoka iray mampihodina ny orinasa ny vidin’ny vokatra ary mamelona olona maro ny fanaovana izany.
Tsy mitsaha-mitombo ireo Malagasy manome lanja ny vokatra vita amin’izany, raha ny fanadihadiana natao hatrany. Efa manomboka fantatry ny olona ny fisian’ny vokatra ahodina avy amin’ny tavoahangy platsika, raha eto Madagasikara. Efa maro ihany koa ireo olona manafatra entana amin’ny alalan’ny fampirantiana sy ny varotra handraisan’izy ireo anjara amin’ny hetsika maro samihafa. Anisan’ny mpanjifa ny mpanakanto, ny orinasa maro isan-karazany ary ny olon-tsotra.
Nanatontosa : Mino