Taorian’ny fanadihadiana nataon’ny zandary momba ilay raharaha fahitana fatim-behivavy roa tanaty gony samihafa, ny sabotsy hariva 28 oktobra 2023, tao Ambararata, kaominina Mahatsinjo, distrikan’i Vondrozo, fantatra ny fasana nakan’ireo mpangalatra ireo razana ireo. Fasana tao Ambatolaza Ampataka, kaominina Mahatsinjo, an’ny fokonolona ao Ambatomilovoka no niavian’ ireo fatim-behivavy roa ireo. Voalaza fa tsy misy hidiny io fasana io fa simba ny fanalahidim-pasana. Ny 18 oktobra 2023 teo, nisy nahatsikaritra ny fisokafany ka nampandrenesina ireo raiamandreny ara-drazana tao an-tanàna. Nakatona fotsiny ilay fasana taorian’izay. Rehefa nohamarinina ireto fatim-behivavy roa ireto dia fantatra ny fianakaviany. Maty ny taona 2017 ny iray amin’ireo vehivavy hita tao anaty gony ireo raha ny taona 2018 kosa ny faharoa. Nohamafisin’ny zandary fa ireo faty ireo dia anisan’ny nalevina tamin’io fasana io avokoa. Ny 29 oktobra 2023, naverina ireo razana roa ireo sady nanamarina ny razana hafa tao am-pasana ny fokonolona izay natrehin’ny tomponandraiki-panjakana tao an-toerana niaraka tamin’ny zandary. Hita tamin’izany fa efa maro ireo taolana tsy hita tao ka taolam-behivavy ny ankamaroan’ireo nanjavona tao am-pasana. Ny faran’ny volana oktobra teo, mbola nahitana karandohan’olona iray indray tao Sahafia akaikin’ny toerana nahitana ireo faty roa tanaty gony roa ireo. Efa naverin’ny fokonolona tao amin’io fasana io ihany ilay karandoha. Tsy mbola fantatra kosa ireo jiolahy tompon’antoka tamin’izao raharaha halatra taolam-paty izao. Mitohy ny fanadihadiana ataon’ny zandary ka aorian’ izay no hamantarana ny marina rehetra.
Jean Claude