Gala international Multi-boxe : hanafika eto Madagasikara i La Réunion sy i Mayotte

Hampiantrano fihaonana iraisam-pirenena eo amin’ny taranja haiady, ny federasiona malagasin’ny savate boxe française, amin’ity faran’ny herinandro ity. Hanafika ny Malagasy mpikatroka ry zareo renione sy ny mahore ary ny kaomorianina.

Hotanterahina etsy amin’ ny Kianja mitafon’i Ma­ha­masina, rahampitso alahady 5 novambra, ny andiany voalohany amin’ny «Gala international multi-boxe», ahitana ny taranja savate boxe française, ny kick-boxing, ny boxe chinoise, ny boxe anglaise ary ny canne de combat. Mpikarakara ny hetsika ny federasiona malagasin’ ny savate boxe française. Handray anjara amin’ity ry zareo avy atsy amin’ny Nosy La Réunion, izay nitondra mpikatroka efa tompondakan’i Frantsa sy Eoropa ary efa tompondaka lefitra maneran-tany.

Anisan’ny hifaninanan’izy ireo, ny eo amin’ny savate boxe française ka hidirany an-tsehatra ny sokajin-danja 52 kg, 53,5 kg, 57 kg, 63 kg, 87 kg, miampy ny kick-boxing. Ankoatra azy ireo, ho avy eto koa i Mayotte sy i Comores.
Nambaran-dRamanga, tale teknika nasionaly, fa fifanakalozana traikefa sy fampivoarana ny lenta ary fanomanana ireo Malagasy atleta eo amin’ny savate boxe, hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany amin’ny volana desambra na ny fiandohan’ny janoary 2024, ny tena tanjona amin’izao.
Hisy koa ny “combats nationaux”, eo amin’ireo ta­ranja rehetra ireo. Ho an’ny taranja boxe anglaise manokana, hiakatra ringa ireo samy sangany eto an-toerana. Fotoana hanehoan’izy ireo ny fahaiza-manaony ity «Gala international» ity.
Ny filohan’ny federasiona malagasin’ny savate boxe française, Jean Aimé Nakolo, nanamafy fa fiaraha-miasa eo amin’ny klioba 3FB ny nahazoana nanatontosa izao, hetsika izao. Niantso ireo klioba hafa ihany koa ny tenany, hikaroka fiaraha-miasa, indrindra amin’ireo avy any ivelany. Hotolorana amboara sy medaly ireo ho mpandresy amin’ity hetsika ity.

Tompondaka

Partager sur: