Nitohy tany Ambovombe, Tsihombe, Amboasary, Taolagnaro, faritra Androy, indray ny fampielezan-kevitry ny kandidà laharana fahatelo, Andry Rajoelina, omaly. Nambarany fa anisan’ny tiany ny any atsimon’ny Nosy.
«Amin’ny andro sarotra no ahafantarana ny tena namana sy raiamandreny. Tsy mbola nisy filoha nitsidika matetika taty afa-tsy i Andry Rajoelina noho ny fitiavana anareo… Hampandroso ny isan-tokatrano isika ary ho tonga any am-baravarana ny fanampiana», hoy izy. Notsiahiviny fa nitoka-monina ny tany Androy teo aloha saingy nahavitana fotodrafitrasa marobe izany izao, rehefa nitondra ny tenany. Anisan’izany ny lalam-pirenena RN13 ka vitan’ny fiara ao anatin’ny ora telo izany ary mbola hatao tara, tsy ho ela. Notsindriny fa ny fitiavan-tanindrazana ao anatiny no nanosika azy hirotsaka hofidina. Tsy fahefana na voninahitra fa ny fitiavana ny tanindrazana sy ny vahoaka malagasy, araka ny nambarany. “Tsy nisy filoha nahavita asa betsaka tamin’ireo filoha nifandimby nitondra teto, indrindra aty atsimon’ny Nosy”, hoy ihany izy. Nohitsiny fa manaratsy sy manenjika ary mitsikera fotsiny ireo kandidà sasany. Tsy misy olona manana fankahalana haharesy ny manam- pitiavana anefa, araka ny nambarany.
Fotodrafitrasa manakaiky vahoaka
Ankoatra izany, tsy nisy nijery ny tany atsimo hatramin’izay ka nanova ny tantara ny tenany amin’ny nametrahana ny fantson-drano “Pipeline” hanomezana rano fisotro sy ho an’ny fiompiana sy ny fambolena. Natsidiny sahady fa hamboarina avokoa ny lalana. Anisan’izany ny fahavitan’ny fanadihadiana hanamboarana ny lalana RN10 ho tara, miainga eo Ambovombe, mandalo Toliara ary mihazo ny any Antananarivo. “Tsy nisy filoham-pirenena hanao izany afa-tsy ny filoha Rajoelina”, hoy ihany izy. Notsindriny fa nametraka fotodrafitrasa manakaiky vahoaka ny fitondrana notantaniny. Anisan’izany ny nahavitan’ny hopitaly ao an-toerana, ny oniversite… Hamokarana herinaratra amin’ny alalan’ny herin’ny masoandro koa ny any Ambovombe. Eo koa ny hanomezany jiro maimaimpoana ny isan-tokantrano.
Synèse R.