Handray anjara amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, izay hotanterahina any Egypte, ny volana desambra ho avy izao, ny ekipam-pirenena malagasy, Ankoay, taranja basikety 3×3. Ity fifaninanana ity, natao hiadina ny tapakila hiatrehana ny lalao Olympika “JO 2024 – Paris”.
Efa nanomboka omaly, tany Nosy Be ny fivoriambe ara –potoana (AG) iraisam-pirenena Motocyclisme (FIM) Afrika. Miisa 25 ireo firenena mandray anjara amin’izany. Tsiahivina fa tombony ho an’i Madagasikara ny fandraisana ity AG ity. Marihina fa zavatra maro no horesahan’ny federasiona malagasin’ ny Motocyclisme amin’io fotoana io.
Hotanterahina anio, ny andro fahasivy, fiadiana ny ho tompondakan’i Allemagne «Bundes Liga». Anisan’ireo lalao tena andrasana amin’izany ny fihaonan’ny Dortmund sy ny Bayern Munich. Marihina fa ity fihaonana ity no “Classico” any Allemagne. Tsiahivina fa mitana ny laharana faharoa ny Bayern raha toa ka fahefatra ny Dortmund.
Tsy nasiana mpijery sy mpanohana ny ekipan’ny Lille tamin’ny fihaonan’ity klioba ity amin’ny Olympique de Marseille (OM). Lalao tafiditra amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i France “Ligue 1” ity natao ity. Marihina fa anisan’ireo mpijery tena mahery fo amin’ny baolina kitra ny an’ny OM.