Hotanterahina any Glasgow Angleterre, ny 1 ka hatramin’ny 3 marsa 2024, ny andiany faha-19 amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany amin’ny atletisma anaty efitrano «Indoor championship». Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny Federasiona malagasin’ny atletisma, ny faran’ny herinandro teo, handefa solontena amin’izany i Madagasikara. Iray amin’i Sidonie Fiadanantsoa sy i Claudine Nomenjanahary, no hiatrika izany. Hiankina amin’izay mahazo isa be indrindra amin’ny vokatra azon’izy ireo ny handehanany. Marihina fa atleta miofana any amin’ ny ivontoerana any Dakar Senegal avokoa izy mirahavavy ireto.
Tsiahivina fa nandrombaka ny medaly volamena tamin’ny lalaon’ny tany miteny frantsay, natao tany RD Congo, ny volana jolay lasa teo, i Sidonie, teo amin’ny 100 m misy fefy ary nahazo volamena telo nandritra ny lalaon’ny Nosy, natao teto Madagasikara, ny volana aogositra lasa teo, ho an’ny 100 m misy fefy, ny 100 m sy ny 400 m inefatra mifampitohy. Nahazo ny volamena teo amin’ny 100 m inefatra mifampitohy kosa i Claudine.
Tompondaka