FANTINA sy FINTINA

Betsaka ny tsy fanarahan-dalàna nataon’ny mpitandro filaminana, araka ny nambaran’ny Von­dron’ny kandidà, ny sabotsy teo, taorian’ny hetsika nataon’izy ireo. “Nanenjika olona hatrany an’elankela-trano. Helohinay ny fampiasan-kery tamin’ny vahoaka”, hoy izy ireo. Efa nanolotra mpisolovava ireo voasambotry ny zandary ireo kandidà.
Mijoro ny vovonan’ny FFKM sy ny filohan’ny Antenimiera, Razanamahasoa Christine, Nanao fanambarana ity lehiben’ny Andrimpanjakana ity ny sabotsy teo. “Efa miroso mitady vahaolana maharitra izahay ahatongavana amin’ny fifidianana eken’ny rehetra ary tena miasa andro aman’alina”, hoy izy. Mi­seholany ny tsy fitovian-kevitra, araka ny nambarany.
Manameloka ny herisetra ny Holafitry ny mpanao gazety (OJM), manoloana ny faharatran’ny mpanao gazety miisa telo sy iray hafa norahonan’ny Emmo/Reg, tamin’ny basy rehefa nanangom-baovao, ny sabotsy teo. “Manameloka ny tranga herisetra am­piharina amin’ny mpanao gazety eo am-panatanterahana ny asany izahay”, hoy ny filohan’ny OJM.
Handeha TVM/RNM, anio, ny adihevitra eo amin’ny kandidà Rajoelina Andry sy Randrianaso­lo­niaiko Siteny ary Raderanirina Sendrison. Hanomboka amin’ny 8 ora alina izany fifanatrehan’izy ireo amin’izao fandaharana voalohany iarahana amin’ny Ceni hiatrehana ny fifidianana izao.

Partager sur: