Fivoriamben’ny FIM Afrika: Afa-po tamin’ny fandraisana ny vahiny

Nifarana omaly, tany Nosy Be, ny fivoriambe ara-potoanan’ny Federasiona iraisam-pirenen’ny Motocyclisme (FIM) Afrika. Afa-po tanteraka tamin’ny fikarakarana sy ny fandraisana nataon’ny Federasiona malagasin’ny Motocyclisme (FMaM) ireo vahiny. Raha ny vaovao voaray, miisa 20 ireo firenena tonga nanatrika ny fivoriana tany an-toerana. Anisan’izany, i Madagasikara, mpampiantrano, i Afrika Atsimo, Zimbabwé, Côte d’Ivoire, Botswana, Maroc, Tunisie. Niresaka mahakasika ny tokony hatao amin’ny fampivoarana ny taranja Moto eto Afrika no anton’ity fihaonana ity. Raha ho an’ny FMAM, iny no fotoana nangatahana fanampiana hoenti-mampandroso ity taranja ity. Raha ny fanazavana nomen’i Jean Gabriel Harison, filohan’ny FMAM, ny talata 31 oktobra lasa teo, teny Ankadifotsy. Hametraka ivontoeram-piofanana matihanina amin’ny fanamoriana moto ny federasiona. Hampivelatra ny “Garages” ho lasa matihanina sy ny sehatra fizahantany “Touring” ho ambony kokoa. Hampidirina ao koa ny resaka fandriampahalemana sy ny fisorohana ny loza mianjady ireo mpanamory moto. Tsiahivina fa efa tamin’ny taona 2018 ny AG no nangatahan’ny FMAM horaisina eto Madagasikara. Ny taona 2020, tokony ho nandray ity AG ity isika, saingy noho ny valanaretina Covid-19 dia nahemotra tamin’ity taona ity izany. Marihina fa miisa 116 ireo firenena mpikambana anatin’ny FIM, ary anisany i Madagasikara. Miisa 30 ma¬hery ny mpikambana amin’ny FIM aty Afrika. Tsara asongadina fa ity fivoriana ity, natao nanomboka ny 3 hatramin’ny 5 novambra lasa teo.

Fitia Randria

Partager sur: