Hetsiky ny vondron’ny kandidà 10 : tsy tafiditra teny amin’ny kianjan’ny 13 mey

Voafehin’ny mpitandro filaminana ny hetsika nataon’ireo mpiakanjo fotsy manara-dia ny Vondron’ny kandidà 10 ny sabotsy teo. Nandamoka ny fikasana hiditra tetsy amin’ny kianjan’ny 13 mey. Niainga avy tamin’ny toerana samihafa ireo mpitolona nanomboka tamin’ny 11 ora atoandro. Nanaparitaka azy ireo tamin’ny alalan’ny baomba mandatsa-dranomaso ny mpitandro filaminana. Nisy tamin’ireo mpitokona no nitora-bato ny zandary sy ny polisy teny an-kianja. Teo koa ny fandorana kodiarana sy ny fako ary koa ny fametrahana sakana teny amin’ny lalana.

Tsy nilefitra anefa ny mpitandro filaminana nanoloana ity hetsika tsy nahazoana alalana ity fa niezaka nifehy sy nametraka ny filaminana tamin’ireny toerana ireny.
11 ireo voasambotra
Nahitana fipoahana lakrimozenina avokoa ny faritra nifamezivezen’ireo andian’olona sasantsasany ireo. Ani­san’izany ny teny Antani­nan­dro, Andravoahangy ambony, Ankadifotsy, Ampefiloha, An­ka­zomanga sy Antanimena hatreny Isotry. Nahatratra 11 mianadahy ireo voasambotra, raha ny tatitry ny Prefektio­ran’ Antananarivo. Olona fito kosa no naratra ka telo amin’izany mpanao gazety raha efatra kosa ireo mpitandro filaminana. Marihina fa hitohy ny hetsika ataon’ireo vondron’ny kandidà miisa folo ho an’ny anio. Anisan’ny hotakin’izy ireo ny hamoahana ireo nosamborina.

Randria

Partager sur: