Nohazavain’ny lehiben’ny fiaraha-miasa fa laharam-pahamehana ho an’ny Vondrona eoropeanina ny sehatry ny fanofanana arakasa ka nanamarika ny fahavononany hiara-hiasa amin’ny minisitera voakasika izy ireo. Efa misy ny fandaharanasa “Fahaiza-manao ho an’ny rehetra” iarahan’ny roa tonta. Nodinihina ny fanombohan’ny fandaharana amin’ny tapany faharoa ny taona 2024.
Nampiofanina mahakasika ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fambolen-kazo ireo talen-tsekoly ao amin’ny ZAP Ampasina Maningory sud, Cisco Fenoarivo Atsinanana, Dren Analanjirofo, ny herinandro lasa teo. Ny Dredd Analanjirofo no niandraikitra izany.
Mbola mitohy ny tolona ary miandry sy manantena ny fandraisana andraikitry ny mpitondra ankehitriny eo amin’ny famahana ny olan’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa izay antoka ahafahana miverina sy manohy ny fampianarana eny amin’ny oniversite, araka ny fanambaran’ny biraon’ny sendikàn’ny mpampianatra mpikaroka, ny faran’ny herinandro teo.
Hisy fiakarana kely ny maripana ho an’ny afovoantany sy ny morontsiraka atsinanan’ny Nosy ato anatin’ny telo andro ho avy. Eto Antananarivo 17 / 26 ny maripana ambany sy ambony indrindra anio. Handrahona mety hisy herijikana orana tandrifin-drahona, indrindra ny alina, ny any Boeny, Sofia, Betsiboka, Analamanga ary Alaotra Mangoro ho an’ny anio.