Hotanterahina rahampitso ny andro fahefatra, fifanintsanana isam-bondrona, fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, taranja baolina kitra «Ligue des Champions 2024». Anisan’ny fihaonana tena andrasan’ny maro ny fifanandrinan’ ny Paris Saint Germain (PSG), klioba Frantsay, sy ny AC Milan, ekipa Italianina, ao amin’ny sokajy «F». Hotontosaina ao amin’ny kianjan’ny San Siro, Italie, izany.
Mbola manala vela amin’ ny PSG ny AC Milan. Resin’ny frantsay tamin’ny isa mavesatra 3 no ho 0 ny italianina. Azo heverina ho toy ny famaranana ihany ity fifanandrinan’ny roa tonta ity, ny AC Milan tsy maintsy hiezaka ny haka fandresena voalohany ho azy. Ny PSG, hiezaka ny haka vokatra tsara ho azy fanintelony. Raha ny filaharana, eo amin’ny voalohany ny PSG, manana isa enina, raha toa ka farany ny AC Milan, mitana isa 2.
Ankoatra izay, hifanandrina amin’ny Manchester City, klioba Anglisy ny Young Boys, avy any Suisse. Tsara ny mampahafantatra fa ny ekipan’ny Manchester City no tompondaka farany tamin’ny taon-dasa.
Fitia Randria