Nisintona omby : mpirahalahy maty voahitsaky ny lamasinina

Mpirahalahy niara-maty voahosin’ny lamasinina tao Sambaina, distrikan’ i Manjakandriana, omaly.

Andro niditra! Mpira­ha­lahy indray niara-namoy ny ainy voahitsaky ny lamasinina teo amin’ny sampanan-dalana mihazo an’Am­bohimanga, kaominina Sam­baina, distrikan’i Manjakan­driana, omaly. Hitondra omby hody izy mirahalahy tamin’ny 4 ora. “Efa nampaneno fampahafantarana ilay lamasinina ka nisintona ny omby noroasiny ilay zandriny”, hoy ny fanazavan’ny zandarimaria ao an-toerana. Afaka tamin’izany ny omby kinanjo taitra tampoka indray ity farany rehefa naheno ny feon’ny lamasinina naneno. Tsy nisy nanampo na inona na inona ireo mpirahalahy. Voadakan’ny omby tampoka ilay lehilahy 19 taona ka nifatratra tao ambany lalan’ny lamasinina. Nandriaka ny ra. Nanavotra ilay rahalahiny…

Poa toy izay, niezaka nanavotra rehefa nahita io tovolahy 19 taona io nitsirara ilay 21 taona. Niara-maty… Nohitsahin’ny lamasinina ny vatan’izy roa lahy. Vaky ny loha. Potika tanteraka ny vatany noho ny tsindrin’ny lamasinina nihatra tamin’izy ireo. Tsy tana vokatr’io ny ainy noho ny ratra mafy nahazo azy ireo. Mponina anatin’ny kaominina nitrangan’ny loza ihany ireto farany, raha ny angom-baovao. Nifandrimbona nanala azy mirahalahy ireo teo amin’ny toerana nitrangan’ny loza ny mpitandro filaminana sy ny fokonolona tao an-toerana.

Tsiferana R.

Partager sur: