Ankizy valo taona ny iray ary lehilahy lehibe 60 taona, anisan’ireo valo namoy ny ainy vokatry ny fihotsahan’ny tany tampoka, tao Ambohimangakely, fokontany Mahatsinjo, kaominina Alatsinainikely, distrikan’i Miarinarivo Itasy, ny alakamisy 2 novambra teo. Nanao ny asany toy ny mahazatra ireto mpitrandraka ireto. Niharan-doza tampoka anefa ny 1 novambra tamin’ny 2 ora sy 45 minitra. Nianjera tampoka ny tany manodidina ny lavaka nisy azy ireo. Vokany, tototra tao avokoa ireo valo mirahalahy mianaka. Niezaka nanala ny tany avy hatrany ireo nanatri-maso. Naharitra ora maro vao hita ny vatana mangatsiakan’ireo valo tototry ny tany. Ny 2 novambra tamin’ny 7 ora maraina izy ireo vao tafavoakan’ny fokonolona tao anatin’ny tany nanarona azy.
Zaza tsy ampy taona..
Manoloana ity tranga nahatsiravina ity, mandray an-tanana ny fanadihadiana ny zandarimaria ao an-toerana. Misokatra ny fanadihadiana lalina mahakasika ny tompon’ny kariera izay nampiasa ireo olona valo ireo. Anisan’ny helohin’ny lalàna ihany koa ny fampiasanan zaza tsy ampy taona. Ity farany izay niara-namoy ny ainy tamin’ireo vatan-dehilahy namany. Natolotra ny fianakaviany avokoa ireo razana taorian’ny fitsirihan’ny mpitsabo eo anivon’ny CSBII Analavory azy ireo. Tsiahivina, fa matetika hitrangan’ny fihotsahan’ny tany ny vaninandro fahavaratra tahak’izao.
Tsiferana R.