Afaka 11 andro, hiakatra kianja indray ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar. Hanao ny fifanintsanana hiadiana ny tapakila handraisana anjara amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja baolina kitra, izy ireo amin’izany. Ny ekipa nasionaly, Black Star, Ghana no hifanandrina amin’izy ireo, ny 17 novambra ho avy izao, any Ghana. Aorian’io, hifanandrina amin’i Tchad i Madagasikara.
Hanala vela amin’ny Dortmund, klioba Alemà, ny Newcastle United FC, klioba Anglisy, amin’ny lalao miverina ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa « Ligue des Champions 2024 ». Lalao hotanterahina ny talata ho avy izao, any Allemagne. Tsiahivina fa resin’ny Dortmund tamin’ny isa 1 no ho 0 izy ireo, nandritra ny lalao mandroso. Marihina fa adin’ny laharana faharoa sy fahatelo ity hatao ity.
Notanterahina ny sabotsy lasa teo, tany Allemagne, ny “ El Classico”, fiadiana ny ho tompondakan’i Allemagne, Bundesliga. Nomontsanin’ny Bayern Munich tamin’ny isa mavesatra 4 no ho 0, ny Dortmund FC. Nahatafiditra baolina telo, tamin’io lalao io, i Harry Kane, anglisy mpilalao baolina kitra.