Star Academy 2022 – Anisha Jo : nivoaka ny « album », ho avy ny fampisehoana

Tanora manan-talenta nampiaiky ny mpitsara nandritra ny fifaninanana iraisam-pirenena « Star Academy » 2022. Migoka ny valin’ny ezaka nataony i Anisha Jo. Efa nivoaka ny « album ». Ho avy tsy ho ela ny fampisehoana.

Anisha Jo, iray amin’ireo nitana ny mason’ny mpi­tsara sy ny mpijery nandritra ny fifaninanana Star Academy 2022. Anisan’ny valin’ny ezaka nataony, nahazoany ny laharana voalohany, ny hamoahana rakikira misy ny sanganasany. Tanteraka ny 3 novambra teo izany. Efa eny am-pelatanan’ny mpanjifa ny « Lumière » mirakitra hira 13. Tsy niandry ela, ho avy koa ny fampisehoana hotanterahin’ity teratany malagasy manohy ny fianarany any andafin’ny riaka ity.
Raikitra fa ny 1 desambra zao, manomboka amin’ny 9 ora sy sasany alina (ora any an-toerana), ao amin’ny Café de la danse Paris, no hanatanteraka ity seho voalohany ho azy ity i Anisha Jo. « He­rintaona lasa izay no niatrehako ny  Star Academy . Dinga­na lehibe teo amin’ny fiainako io. Ankehitriny, ity sehatra hiakarako voalohany ity no hampiombona ny fo sy ny fanahin’ny olona maro. Ankoatra izay, toerana hampitana sy hizarana hafatra ombam-pitiavana ny tahaka itony. Faly ny hihaona aminareo aho », hoy i Anisha Jo raha namintina ny fihetseham-pony manoloana ity fampisehoana hotanterahiny tsy ho ela ity.
« Nialohan’ny rakikira « Lu­mière » no namoahana ny rindrantsary (clip) « Autom­ne », izay mametraka an-tsary ny tononkira, sady manasongadina ny aloka sy ny hazavana eo amin’ny fiainan’ny olombelona ao anatin’ny fony », hoy i Anisha Jo. Nohamafisiny fa : « hitondra hazavana ho an’ny fiainan’ny olona tsirairay ny fivoahan’ity rakikira ity ». Nokendrena hitondra io hazavana io avokoa ireo voalazan’ny tononkira ao anatin’ito rakikira voalohany navoakan’i Anisha ito.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: