TARATRY ny KANTO

Manan-talenta ny Malagasy. Raha ny fandinihan’ny manam-pahaizana momba ny hira sy ny fivoaran’ny fiarahamonina, anisan’ny mitazona ny Malagasy tsy hianatra solfezy io fananany talenta lehibe io. Ny ankamaroan’ny mpihira, mpitendry zavamaneno, mpamoron-kira, sns, mbola mihevitra fa tsy mifanaraka amin’ny talenta ananany ny solfezy, satria, « zava-bahiny ».
Hetsika famoaham-boky. Mpanoratra 6 mirahalahy no hanatanteraka hetsika famoaham-boky, ny alarobia 15 novambra izao, amin’ny 2 ora sy sasany, ao amin’ny efitrano Dox, Tranombokim-pirenena. Voara­kitra ao anatin’ity boky « Holafitra » vao hivoaka ity ny sanganasan’izy ireo. Ny diam-penin’i Ny Iraka Rambolamanana, Bin’s Bin’s, Hajia Farany, R.H.Toky offisialy, Ikazomanga ary ny an’i Indrafo Tsihoarana.
Ilay tantara mihitsy no diso. Tafiditra ao anatin’ny vanim-potoana fiverenana eny an-doharano ny Malagasy ankehitriny. Mba hahafahana manana faka matanjaka amin’izany, « mila mitrandraka sy manadihady ny tantara isika », hoy ny mpampianatra mpikaroka. Mbola olana goavana mianjady amin’ny Malagasy anefa ny tsy fananana tantara « madio » sy azo antoka satria saika ny vahiny avokoa no nanoratra ny tantaran’i Madagasikara.
Antsa tononkalo hanamarika ny vanim-potoana diavina. Ny 15 novambra izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany, etsy amin’ny Ivokolo Analakely. Hanatanteraka antsan-tononkalo, nampitondraina ny lohateny « Dom-bera 6 », ny mpanoratra 6 mianadahy : Gaetan Andria, Wany Rodolphe, Kiala Mirana, Maria’h Rosa, Miangaly Soratra ary i Edena Hisambarana. « Amin’ny ankapobeny, rehefa mifaly, mifandom-bera ! », hoy ny fiteny vahiny.

Partager sur: