Nifarana ny zoma lasa teo, teny amin’ny kianja “Club Olympique de Tananarive” (COT), Mandrosoa Ivato, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja tenisy ho an’ny sokajy “junior 2023”. Nanjakan’ny ligin’Analamanga, ny fifaninanana tamin’ity. Lasan’izy ireo avokoa mantsy ny anaram-boninahitra teo amin’ireo sokajy niadiana ny amboara.
Mbola misongadina hatrany anefa ny fahaiza-manaon’ireo mpilalao mandrafitra ny ekipam-pirenena.
Anisan’izany, ny teo amin’ ny U16 vehivavy izay lasan-dRajaobelina Iriela. Resiny tamin’ny seta 2 no ho 0 i Martinez Ngotia. Nahavita dingana goavana ihany koa Ramanantoanina Ravaka teo amin’ny U18 vehivavy rehefa nandresy an’Andriantefihasina Elisoa, tamin’ny seta 2 (7/6 ; 6/3). Niady ny fihaonan’izy mirahavavy teo amin’ny seta voalohany, izay niafara tamin’ ny “tie break”. Tombony ho an’i Ravaka ny fahaiza-manaony sy ny tanjaka. Ankoatra izay, niavaka ny fandresen’i Napoke Jéssé, avy any Atsimo Andrefana, teo amin’ny U14 lehilahy, rehefa nandavo an-dRandrianjakatiana Rayanna.
Dingana manaraka ho an’ny federasiona ny fiadiana ny ho tompondaka ho an’ny sokajy rehetra, hatao eny amin’ ny kianja COT hatrany, ny 27 novambra ka hatramin’ny 3 desambra ho avy izao.
Tompondaka