Miahiahy amin’ny asa fivelomany sahady indray ireo mpivarotra eny Analakely sy ny manodidina, anio, manoloana ny toe-draharaha politika eto an-toerana. Potika ny toekarena, tsy mampidi-bola ireo tokantrano mivelona amin’ny tsena. Miankina amin’ny vola ny fihodinan’ny fiainana andavanandro.
Manomboka androany ka hatramin’ny alarobia izao ny salon WTM London 2023 atao ao ExCel Londres. Mandray anjara amin’ny hetsika i Madagasikara amin’ny alalan’ny Ofisim-paritry ny fizahantany ao Nosy Be (ORTNB). Hahafahana mampahafantatra ny Nosy sy ny tolotra omen’ireo mpandraharaha ara-pihazantany ny hetsika.
Karatany 3099 sy bokin-tany 276 isa manamarika ny fananan’ny tompony ny taniny no voazara tao amin’ny fokontany Tanandava-Toamasina II, ny sabotsy teo. Hetsika andiany faharoa natao tany an-toerana ity. Maro ny distrika sy faritra efa nisitraka ny fitondram-panjakana. Tanjona ny hizarana karatany 2 000 000 hatramin’ny faran’ny taona.
Nanomboka omaly ny fitsangantsanganana anaty baolina mafana (montgolfières). Handalo ao Ampefy ny 7,8,9 novambra izao ny baolina mafana. Hitohy any Antsirabe ny dia ny 10-12 novambra. Hizotra hihazo an’Ambalavao ireo mpanamory izany ny 14-16 ary hijery ny hakanton’i Fenoarivo sy Vohipotsy ary Isalo ny 16-21 novambra ary hifarana any Morondava ny 23-25, novambra ny hetsika.