“World Jiu-Jitsu Championship” : tesy teo amin’ny ampahefa- dalana i Nofy

Andro voalohany ho an’ny ekipa malagasy, ao anatin’ny fifaninanana “World Jiu-Jitsu Championship”, tontosaina any Abu Dhabi, ny sabotsy lasa teo. Ny andriambavilanitra, i Nofy, no nisantatra izany, teo amin’ny sokajy Jeunes, vehivavy, tepana maitso. Niady mafy i Nofy saingy nihintsana tamin’ny ady voalohany natrehany, teo amin’ny dingana ampahefa-dalana. Niondrika nanoloana ilay teratany Ukraniana, i Elizaveta Dumeva, ity vehivavy malagasy mpikatroka ity. An­koatra an’i Nofy, niakatra an-tsehatra omaly alahady, teo amin’ny sokajy Amateurs, nahitana an’i Adriano, i Christian, i Rajo ary i Tafita. Raha ny vokatra voaray, niainga teo amin’ny ampaha-32-dalana avokoa i Rajo sy Tafita ary samy resy teo amin’ny ampahavalon-dalana. Nahazo fandresena miisa roa, nanoloana ireo roa lahy kolombianina mpikatroka, i Rajo. I Carlos Erazo sy i Harol Gomez no resin’i Rajo ary niondrika nanoloana an’i Mohammed Khams avy amin’ny Loman Académie izy, teo amin’ny ampahavalon-dalana. Ho an’i Tafita kosa, nahavita dingana tena tsara izy satria nandresy an’ilay frantsay kalaza, i Djawad Beloyan, ity Malagasy mpikatroka ity. Mbola nandresy an’ i Abdulla Alhussaini ihany koa i Tafita, teo amin’ny ampaha-16-dalana ary resy nanoloana an’i Magome­drasui Gadzhiev, teo amin’ny ampahavalon-dalana. Resy teo am-pidirana kosa, i Christian, nanoloana an’i Ashraf Tareiq, so­kajy 62 kg. Anjaran’ Linjo indray ny mifaninana ho amin’ny anio.

Mi.Raz

Partager sur: