Ambohidratrimo: tafatsangana ny fikambanana Zam

Fikambanana miahy ny sosialim-bahoaka ny fikambanana Zam eny Ambohidratrimo. Anisan’izany ny fanampiany ny Akany Avoko, manabe ny ankizy.

Tafatsangana ny fikambanana Zanaka Ambohi­dratrimo Marovatana (Zam), ahitana vondrona sa­mihafa any Ambohidratrimo Marovatana. Anisan’izany ny fikambanana miaro ny tontolo iainana, ny ara-panatanjahantena, ny vehivavy, ny sampana avy amin’ny fiangonana maro, sns. Miparitaka any amin’ny fokontany sivy any Ambohidratrimo (Soamanane­ty, Atsimomparihy, Ambohide­hilahy, Ambohitsiroa, Ampa­nataovana, Ambodisaha, Anto­hibe, Ambovo ary Ambo­hidratrimo).
Nilaza ny filohan’ny Zam, Rabary Hery Tianarivoatra, fa tena faralahy amin’ny fampandrosoana i Ambohidratrimo raha oharina amin’ny kaominina manodidina, antony nananganana ny fikambanana. Filo­ha lefitra Rajoeliarivony sy Andrianarison Fy.
Hetsika voalohany nataon’ ny Zam ny asa sosialy ny fa­ran’ny herinandro teo, teny amin’ny Akany Avoko Ambo­hi­dratrimo, ahitana ankizy beazina miisa 195 sy 59 eny Bevalala.

Tena ilaina ny fanampiana
Nambaran’ny tale, Razafiarisoa Ivelohanta, fa tena ilaina ny fanampiana toy izao, satria tsy ampy ny filana fototra andavanandro. Fa­nampiana nahitana vary telo gony sy savony anaty baoritra maro ary vatomamy.
Nohainoana koa ny hetaheta sy ny olan’ny mponina, toy ny tsy fandriampahalemana, ny fahatapahan-jiro, ny tsy fahampian’ny rano madio fisotro, ny lalankely simba, ny fa­nabeaza­na, ny fotodrafitrasa ara-panatanjahantena, sns. Nampa­nan­tena ny filohan’ny Zam, Rabary Hery Tianari­voatra, fa hijery akaiky ireo rehetra ireo. Marihina fa miandraikitra ny famoaham-bolam-panjakana ho an’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana ao amin’ny faritra Analaman­ga ny tenany.

Njaka A.

Partager sur: