Namoaka tatitra ny Banky iraisam-pirenena fa hiteraka krizy ara-toekarena goavana amin’ny lafiny sakafo sy ny angovo ny ady any Moyen Orient, ifanaovan’i Israely sy i Palestinina.
Hanampy trotraka ny ady eo amin’i Rosia sy Ukraine ny ady eo amin’ny israeliana sy ny palestiniana. Araka ny fanadihadiana nataon’ny Commodity Markets Outlook, ary navoakan’ny Banky iraisam-pirenena, ny 30 oktobra 2023 teo, hiantraika any amin’ny vidin’ny akora fototra ity ady ity raha miitatra. Voakasik’izany ny angovo, indrindra ny vidin-tsolika. Efa manodidina ny 90 dolara
ny vidin’ny iray barila ao anatin’izao telo volana faran’ny taona 2023 izao, ary tombanana hidina ho 81 dolara amin’ny taona 2024. Satria hihena ny fitomboan-karena sy ny fihariana maneran-tany. Araka ny vinavina, hidina 4,1% ny vidin’ny akora fototra amin’ny sakafo sy ny solika amin’ny taona 2024, izay tokony hiakatra satria mitombo ny filana. Mety hidina 5% koa ny vidin’ny
akora fototra metaly amin’ny taona ho avy. Tombanana tsy hihetsika kosa anefa ny vidin’ny akora fototra amin’ny taona 2025.
Hiaka-bidy
Voafetra ihany ny vidin’ny akora fototra hatramin’ izao. Niakatra 6% ny vidin-tsolika raha vao nanomboka
ny adin’ny israeliana sy ny palestiniana. Tsy nihetsika kosa ny vidin’ny sakafo avy amin’ny fambolena sy ny metaly.
Na izany aza, mampanahy ny ho avy raha miitatra sy maharitra ity ady any Moyen Orient ity, raha ampitahaina ireo krizy efa nisy tany aloha. Mety hihena 500 000 hatramin’ny 2 tapitrisa dolara isan’andro ny solika vokarina, nandritra ny adin’ny sivily tany Libye ny taona 2011.
Raha tarafina amin’io, hiakatra 3 hatramin’ny 13% ny vidin-tsolika any am-boalohany, manome 93 hatramin’ny 102 dolara ny barila. Nihena 6-8 tapitrisa barila isan’andro kosa ny solika tamin’ny ady nataon’ny tany arabo sy ny israely ny taona 1973, ka niakatra 56-157 dolara ny barila.
Njaka
Andriantefiarinesy