Haitao ara-kajy mirindra: hampiroborobo ny famokarana

Hiara-hiasa ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana, ny Airtel Madagascar ary ny ONG “Agence de développement inclusif et durable”(ADID), hanatanteraka ny tetikasa « territoire agricole durable » (TAD), entina hampiroboroboana ny famokarana eto Madagasikara. Tanjona ny hisian’ny fandrosoana ma­haritra ho lovain’ny taranaka amin’ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana. Eo ihany koa ny hampiharana ny famokarana biolojika, ny famokarana mikajy ny tontolo iainana ary indrindra ny hialan’ny vahoaka amin’ny tsy fanjarian-tsakafo. Hampiharana ny tetikasa ny haitao ara-kajy mirindra amin’ ny alalan’ny tambajotra airtel. Araka izany, manodidina ny 2000 ireo tantsaha hisitraka ny tetikasa “TAD”.

Andraikitra
Samy manana ny andraikiny tsirairay avy ireo mpiara-miasa. Hiantoka ny fampitaovana rehetra ilaina amin’ny fa­natanterahana ny tetikasa “TAD” ny Airel Madagascar. Hanome tolotra mirary ny tantsaha izy amin’ny fampiasana ny Airtel money hitahirizana sy handoavana vola amin’ny fom­ba mangarahara sy azo antoka, mandritra ny famokarana, sns. Hisy ihany koa ny fametrahana vondrona mpisehatra mpamokatra eny anivon’ny tontolo ambanivohitra ahafahana mampiroborobo ny haitao ara-kajy mirindra eo amin’ny sehatry ny famokarana, amin’ny alalan’ity tambajotram-pifandraisana ity. Hi­tondra ireo fomba teknika rehetra ilaina amin’ny fa­mokarana kosa ny minisiteran’ ny Fambolena sy ny fiompiana. Hampifandray ny tantsaha sy ny teknolojia maoderina ao anatin’izany izy.

Henintsoa H.

Partager sur: