Misy fiofanana maimaimpoana momba ny fahalalana fototra mahakasika ny fiompiana trondro an-dobo sy an-tanimbary ary dobo vita simenitra. Eo koa ny famokarana zanatrondro tilapia sy karpa sy ny sakafon-trondro hotanterahina ny 10-11 novambra ho avy izao. Mandray fisoratana anarana ny biraon’ny talem-paritry ny Jono sy ny toekarena manga ao Diana.
Notolorana daba fitoeram-pako, “plan de classe”, fefy vita amin’ny zavamaniry, “logiciel” manampy amin’ny fomba fiasa eo amin’ny sekoly, lavadrano maoderina sy fotodrafitrasa fitehirizan-drano ny CEG Andranomena, Cisco Antananarivo Renivohitra, ny herinandro lasa teo. Vokatry ny fiahara-miasa amin’ny ray aman-drenin’ny mpianatra sy ny fandaharanasa Rindra izany.
Miteraka fikorontanana amin’ny asa andavanandron’ny mponina eny Analakely sy ny manodidina ny sakana ataon’ny mpitandro filaminana tsy hamelana ny olona ivezivezy eny an-toerana. Niteraka fimenomenomana izany, omaly, satria tao anatin’ny fotoam-piasana vao maraina dia efa nisy ny fanakanana.
Homarihina ny 14 novambra izao ny Andro iraisam-pirenena iadiana amin’ny diabeta. Fotoana hanamarihana ny andro nahaterahan’i Freserick Banting nahita ny insuline voalohany tamin’ny taona 1922 io fotoana io. Hiompana amin’ny fanentanana tsy hahazoana ny diabeta sy torohevitra ho an’ireo manana izany toe-tena izany ny hetsika.