Nitohy tany amin’ny distrikan’i Mahanoro, Bealanana, Maroantsetra indray ny fampielezan-kevitry ny kandidà Rajoelina Andry, omaly. Notanisainy tamin’izany ny ezaka vita tao anatin’ny efa-taona mahery. Nametraka fanamby sy velirano amin’ny nanamboarana ny lalana ny tenany ka nahavitana izany, toy ny any Ambilobe – Vohemar sy ny lalana RN-44 any Ambatondrazaka. Ny firosoan’ny asa amin’ny lalambe migodana ary hiarahantsika mitokana. “Maro ireo filoha nifandimby fa tsy nanao ny lalana RN-31 ka hatao tara manontolo miainga Antsohihy hatrany Bealanana izany”, hoy izy. Natsidiny fa efa hita ny famatsiam-bola ary hanomboka amin’ny voalohan’ny taona ny asa. Tsy mitavozavoza isika raha mbola mampanantena ny hafa… Filoha tanora sy tia tanindrazana ary mavitrika no ilain’ny firenena, araka ny nambarany. Nihazo ny tany Maroantsetra ny fampielezan-kevitry ny kandidà laharana fahatelo ka nampahatsiahivany fa voalohany tamin’ny fifidianana 2018 ny tany an-toerana. “Manantena isika fa mbola ho voatana sy vonona amin’izany isika aty”, hoy izy. Nanteriny fa ny fanorenana fotodrafitrasa no tena fitsinjaram-pahefana ka nomena faritra manokana Ambatosoa mba handroso. Tsy tafahaona tamin’ny kandidà laharana fahatelo kosa ny vahoakan’i Mahanoro. Tsy nety tody tany Mahanoro ny angidimby nitondra ity kandidà ity, noho ny olana ara-toetr’andro. Na teo aza anefa izany tsy fahatongavany izany dia nanambara ny vahoakan’i Mahanoro fa tsy miala amin’ny kandidà laharana fahatelo izy ireo. Araka ny nambaran’ireo olom-boafidy avy any an-toerana, anisan’ny distrika nahazo tombony indrindra tamin’ny fitondran’ny kandidà laharana fahatelo ny distrikan’i Mahanoro. Anisan’izany ny kianja samihafa, sekoly ary lalana, izay tena nitondra fampandrosoana ho an’ny tanàna.
Lin