Indroa nipoaka ny basy tetsy Andoharano, Tsimbazaza, omaly. Raim-pianakaviana manodidina ny 40 taona voatifitra.
Norobain’ny jiolahy telo lahy nitam-basy ny raim-pianakaviana iray handeha hamonjy ny toeram-piasany teny amin’ny fokontany Andoharano-Tsimbazaza, omaly maraina. Nandrasan’ny jiolahy roa lahy tsy nisy nisaron-tava teo amin’ny tohatohatra kely tsy lavitry ny tanàna izy. Notakin’ireo olon-dratsy teny aminy ny sakaosy saingy tsy nanaiky io raim-pianakaviana io. “Notifirin’ny iray tamin’ny totohondry avy hatrany ny tavany”, hoy ny fianakavian’ilay lasibatra. Nitohy ny fifandirana ka nitifitra tamin’ny basy avy hatrany ny iray tamin’ireo jiolahy. Voa teo amin’ny feny io lehilahy io. Nisitona ny vola teny an-tanany ny jiolahy iray sady mbola nitifitra ny tongony ilany, raha ny fitantaran’ny zanak’io lasibatra io. “Nandositra namonjy ilay namany iray teny amin’ny moto izy roa lahy rehefa nahazo ny vola”, hoy ny fitantaran’ny nanatri-maso.
Naratra mafy, efa mahatsiaro tena…
Minitra vitsy taorian’ny tranga, nanavotra io raim-pianakaviana lasibatra io ny fokonolona. Nentin’ny fianakaviany namonjy hopitaly izy. “Tsy nahazo taolana ny tifitry ny bala nahazo ny feny roa ary efa afa-miresaka izy”, hoy ny fanazavan’ny zanany. Na izany aza, voatery nanadio ny faritra voatifitra taminy ny mpitsabo. Marihina fa tsy fantatra mazava ny totalim-bola lasan’ireo olon-dratsy. Andrasana ny tohin’ny fanadihadian’ny mpitandro filaminana izay mandray an-tanana ny raharaha.
Tsiferana R/ JC