Tafiditra anatin’ny vanim-potoana mampitombo ireo lomotra misy poizina, izay sakafo fihinan’ny fano na ireo sokatra an-dranomasina isika izao. Manomboka ny volana oktobra ka hatramin’ny volana marsa izany. Lomotra (dinoflagelles) fihinan’ny fano tanora izy ity izay voatahiry rehefa lehibe ka mampisy poizina ny nofony. Antony mahatonga ny fahafatesana rehefa mihinana ity sokatra an-dranomasina ity. Isan-taona misy hatrany ireo olona voapoizina noho ny fihinana azy ireny. Tranga niseho ny herinandro teo, zaza roa no maty ary olona 30 hafa manaraka fitsaboana tao amin’ny fokontany Izegnitry, kaominina ambanivohitr’Andronovandronina, faritra Antsiranana.
Mampidi-doza
Misy ihany koa ireo karazana hazandrano mihinana lomotra ka mampidi-doza sy mahatonga fanapoizinana ara-tsakafo ny fihinanana azy. Noho izany, tsy azo atao ny fihazana, ny famarotana sy fihinana ny fano izay anisan’ny hazandrano efa ho lany tamingana. Tafiditra ao anatin’izany ireo karazany Eretmochelys imbricata na fanohara, sy ny Chelonya mydas na fanozaty.
Henintsoa H.