Miezaka manakaiky ny mpikambana hatrany ny orinasa Smmec. Misokatra ny masoivoho vaovao, fahafito, eny Anosimasina Itaosy, mitondra ny anarana hoe « masoivoho Smmec Fanavotana ». Misahana ny mpikambana eny Itaosy, Ampitatafika, Imerintsiatosika, Tanjombato, Andoharanofotsy ary Alasora.
Toy ny any amin’ny masoivoho manerana ny Nosy, azo sitrahana ao amin’ny Smmec Fanavotana ny tolotra rehetra, toy ny fanaovana tahiry, ny fanabeazana ara-bola, ny findramam-bola ary ny fiahiana ara-pahasalamana. Tsiahivina fa azo atao eny amin’ny masoivoho Smmec rehetra ny mametraka sy maka vola. Mampiavaka azy ny saram-pitantanana ambany, 1 000 Ar isam-bolana. Mahatratra 6,5% kosa ny zanabola ho an’ny fanaovana tahiry. Misy ny tahiry ho an’ny ankizy sy tanora, ny ho an’ny tetikasa, ny tsinjo fahanterana.
Afaka misitraka ny fiahiana ara-pahasalamana ny mpikambana raha vao manokatra kaonty, andoavana latsakemboka 30 000 Ar isan-taona. Azo antonina ny masoivoho eny Anosimasina, miaraka amin’ny kopia karapanondro, sary tapaka, fanamarinam-ponenana ary ny renivola sy ny saram-pidirana.
Nitokana ity masoivoho vaovao ity ny ben’ny Tanànan’ ny kaominina Bemasoandro, ny lehiben’ny distrikan’Atsimondrano, ny sefo fokontany Anosimasina ary olo-manan-kaja maro niaraka tamin’ny solontenan’ny mponina.
Njaka A.