«Diary ho an’ny mpianatra”. “Raha nitsidika ny Rovan’ i Manjakamiadana ny mpanoratra ity boky ity, ny 15 desambra 2011, dia ontsa nahita ireo mpianatra marobe nifanosika nandika ny tantaram-pirenena naranty tao. Tapa-kevitra fa hanangona sy hanovo ary handrakitra izany ho bokikely ho an’ny mpianatra sy izay liana amin’ny tantaram-pirenena aho. Mahatsiaro ho manana adidy izahay hampahafantatra amin’ny takila vitsivitsy ny tantaran’ity firenena ity, ka amin’ny alalan’ny daty no anehoana izany”, hoy Rabenandrasana Lalao François. Tontosa tokoa ny nampanantenainy ka nivoaka ny boky «Tantaran’i Madagasikara». «Diary ho an’ny mpianatra». Mizara 4 ny boky. 1- Ny niavian’ny mponina sy ny faka nipoiran’ny teny teto Madagasikara. 2- Ny vanim-potoana faha mpanjaka. 3- Ny vanim-potoanan’ny fanjanahantany. 4- Ny niverenan’ny fahaleovantena, hatreo amin’ny Repoblika faha-4. Nanteriny fa: “Ny firenena rehetra maneran-tany, samy manana ny tantarany avokoa. Zava-dehibe tokoa ny fahalalana ny tantaram-pirenena, fa miteraka hambom-po sy fitiavan-tanindrazana. Ny olona tsy rototra amin’ny tantara dia azo sokajina ho anisan’ny tsy manam-pahavononana hanatsara ny hoaviny. Ilaina ny manao dian-tanana ka sady mitodika ny lasa no mibanjina ny hoavy”, hoy hatrany Rabenandrasana Lalao François. Nanteriny fa “tsy ny fisamborana ny an’ny hafa ho takalon’ny an’ny tena no fandrosoana fa ny fanatsarana ny zava-nisy hivoatra hatrany”.
HaRy Razafindrakoto