SOMBIM-BAOVAO

Judo. Misaona ny tontolon’ny Judo eto Madagasikara. Nodimandry, omaly, ny Maitre Rabibisoa Nicodem, tepana mainty 5e Dan. Tany amin’ ny faritra Atsimon’ny Nosy izy no tena nilomano teo amin’ity taranja ity. Efa tompondaka imbetsaka ary efa nandrafitra ny ekipa nasionaly ihany koa. Mpanazatra, filohana ligy ary mpanolotsaina teknika no nahafantarana azy.
Misaona ny tontolon’ny Rugby. Nodimandry ny alahady 5 novambra lasa teo, Randrianarijaona Andoniaina (Dit Toutoune). 41 taona izy izao nindao­sin’ny fahafatesana izao. Tao amin’ny klioba SCB Besarety izy no nilalao ary efa nandrafitra ny ekipa nasionaly Makis Ladies, nandritra ny fotoana maro.
Rakotoharimalala Njiva, Malagasy lohalaharan’ny Barea de Madagascar, milalao any Thaïlande. Misongadina tanteraka ity Malagasy mpilalao baolina kitra ity amin’izao fotoana izao. Nahatafiditra baolina roa indray izy nandritra ny fiadiana ny amboaran’ny Chaf FA Cup. Marihina fa ao amin’ny Ratchaburi FC izy no milalao.
Hotanterahina anio, ao amin’ny kianjan’ny San Siro Italie, ny fihaonana miverina eo amin’ny Paris Saint Germain (PSG), Frantsay sy ny AC Milan, Italie. Mbola manalavela ny ekipa italianina amin’ity fifanandrinan’ny roa tonta ity. Tsiahivina fa resin’ny PSG ta­min’ny isa mavesatra 3 no ho 0 ny AC Milan nandritra ny lalao mandroso.

Partager sur: