Mitohy ny fihodinan’ny tarika Baobab, any Eoropa. Efa nahavita seho am-polony hatrany Italia, Suisse ary mbola mitohy ao France amin’izao fotoana izao ny tarika Baobab. Manana daty telo misesy ry Haingo sy ny tariny amin’ity faran’ny herinandro ity, ary mbola hitohy izany. Ny famelomana ireo hira tsy tontan’ny ela, tsy dia maro mpamerina no tena mampalaza ny tarika Baobab sy hitetezany tany izao.
Hisokatra anio ny fampirantiana hosodoko, etsy amin’ny Ivokolo Analakely. Ny fikambanan’ireo mpanao hosodoko varatava no miandraikitra izany, hatramin’ny 22 desambra izao, ao amin’ny Galerie d’art Raparivo RR. Ankoatra ny fampirantiana, hisy ny fiangaliana sary mivantana, sy ny fampiofanana ho an’ireo liana ary ny fifaninanana manao sary.
Rantin-tsaripika. Malagasy mpiangaly ny fakàna saripika, miisa 7 no miara-misalahy, manatontosa rantin-tsaripika “Madagascar, un instant de bonheur”. Ao Paris Frantsa no anatanterahana ity hetsika ity, nanomboka ny 4 novambra ary tsy hifarana raha tsy ny 12 novambra 2023.
Kilalao malagasy. Maro no tsy liana sy tsy mahafantatra ary tsy mahay intsony ny kilalao malagasy, indrindra ny ankizy sy ny tanora, ireny kilalao ireny izay mirakitra fanabeazana sy fitaizana. Ny vahiny indray no tena liana sy mandalina azy ireny. Anisan’izany ny fanorona, izay misy mitondra fampianarana sy fandalinana eny amin’ny IKM Antsahavola.