Naiditra am-ponja vonjimaika ny dimy tamin’ireo olona voasambotra nandritra ny hetsika fotsy ny sabotsy teo. Eo ambany fanaraha-mason’ny fitsarana kosa ny dimy hafa raha nosokajiana ho vavolombelona ny olona iray tsy ampy taona. Raha tsy misy kosa ny fiovana, ny 9 novambra 2023 ho avy izao ny fotoam-pitsarana azy ireo.
Mitohy ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana momba ny fisiana zavatra nipoaka teo amin’ny Epp Antanimena, omaly atoandro. Nifanindry an-dalana tamin’ny hetsika fotsy notarihin’ny kandidà 10 izany ka noheverin’ny mponina eny an-toerana fa lakrimozenina.
Ramatoa mpivaro-drongony iray voasambotry ny zandary teo amin’ny RN12, PK 212 +200 tao Mahaditsaka, kaominina Vohitromby, afakomaly. Nahatrarana rongony nilanja 20 kg tao anaty sakaosy telo nentin’io mpandeha tao anaty taksibrosy. Nikasa hihazo an’Antananarivo izy rehefa niainga avy any Vangaindrano.
Mpanolana sady mpanendaka tratran’ny mpitandro filaminana tao Tsararivotra atsinanan’ Amborovy, ny faran’ny herinandro teo. Miandry mpandalo amin’ny maizimaizina ity lehilahy ity ka mandroba sady manolana ireo tovovavy sendra azy. Nosamborin’ny zandary ao Amborovy izy.