VAOVAO TAMBATRA

Nijery ny asa fanamboaran-dalana ao an-tampon-tanànan’i Sainte Marie, ny governoran’ny faritra Analanjirofo, ny fitantanam-paritry ny asa vaventy, ny herinandro lasa teo. Mandroso ny asa ahitana ampahan-dalana miisa telo, mirefy 9 km, 24 m ary 17 km, voakasiky ny tetikasa Pic III.
Natao ny 31 oktobra teo ny atrikasa hamolavolana ny tetiandrom-pambolena, mifanaraka amin’ny vinavina ny mety ho toetry ny andro any amin’ny faritra Boeny sy Melaky. Tanjona ny fanatsarana ny fambolena sy ny famokarana mifanaraka amin’ny fiovan’ny toetr’andro. Nanohana izany ny Care international sy ny tetikasa Prosol GIZ.
Nahazo gropy herinaratra sy talelaka mande amin’ny masoandro ny biraon’ny tahirimbolam- panjakana (trésorerie générale 11 sy perception principale 1). Avy amin’ny fanjakana foibe ireo, entin’ireo birao any amin’ny faritra miasa araka ny tokony ho izy. Efa nisy koa ny fampitaovana ordinatera sy “imprimantes” ny biraon’ny Tahirimbolam-panjakana.

Partager sur: