Vonoan’olona feno habibiana: mpanangom-bokatra hita faty tao anaty kirihitr’ala

Hita faty novonoina tamin’ ny fomba feno habibiana ny raim-pianakaviana iray tao Maladialina Antsahapolisy, ka­o­minina Bevonotra, distrikan’i Sambava, afakomaly. Mpa­nan­gom-bokatra misehatra amina lavanila ity niharam-boina ity. Nihosindra izy ka ireo ra niparitaka tamin’ny lalana no nahataitra ireo mpandalo tany an-toerana. Narahin’ny olona ilay ra niparitaka ka nifarana tao anaty kirihitr’ala izany. Hataraina ny an’ireo nahita fatin’olona nivalapatra tao anaty bozaka. Fotoana fohy taorian’ny fahitana ny razana, tonga teo amin’ ny toerana nahitana ny razana ireo tomponandraiki-panjakana niaraka tamin’ny zandary. Fantatra tao anatin’ny fanadihadiana fa mpanangom-bokatra ity nisy namono ity. Mbola hita teny aminy nandritra ny fisavana ny teo amin’ny manodidina ny karatra maha mpanangom-bokatra lavanila azy. Hita teo akaikiny koa ny lavanila milanja 15 kg. Araka ny fanazavan’ny zandriny niaraka taminy, mbola afa-nitsoaka izy rehefa nifanehatra tamin’ireo olon-dratsy. Nentina nanaovana fanadihadiana ity zandriny ity ka aorian’izay no hamantarana ny marina rehetra. Efa tonga teny an-toerana ny fianakaviany naka ny razana.
Lavon’ny balan’ny polisy ireo jiolahy roa mpanao fanafihana mitam-piadiana tao amin’ ny fokontany Ampandrozona­na sy Ambodisatrana II, kaominina ambohivohitr’i Sam­ba­va, ny sabotsy teo. Teo am-pikasana hanao ny asa ratsiny ireo tambajotran-jiolahy mampihorohoro ireto no nifanehatra tamin’ny polisin’ny Fip. Basy vita tanana iray sy antsy lava iray no tratra teny amin’izy ireo nandritra ny fisavan’ny polisy.

J.C

Partager sur: