Niaraka notanana am-ponja vonjimaika eny Antanimora ireo mpivady nahatrarana moto halatra tao amin’ny fokontany Ambohipanja, kaominina Ankadikely Ilafy, ny 5 novambra teo. Nitrangana vaky trano teny amin’ny fokontany Belanitra, anatin’io kaominina io, ny alin’ny 4 novambra. Very tamin’izany ny moto scooter iray sy ny vilany tao an-tokantrano. Naharay fampahafantarana anefa ny zandary fa misy olona mampiahiahy mitana io moto halatra io. Nidina ifotony nanamarina ny zava-misy ny mpitandro filaminana. Tratra tao amina mpivady monina tao Ambohipanja tokoa ny moto miloko mena. Tsy nahitana taratasy io moto io. Nofotopotorin’ny zandary ao Ankadikely izy mivady ka niaiky heloka fa tompon’antoka mivantana tamin’ny fahavakisan’ilay trano ny faran’ny herinandro lasa teo. Fantatra nandritra ny fampitam-baovao voaray avy amin’ny zandary fa ao anatina tambajotran-jiolahy mpangalatra moto izy mivady ireto. Samy manana ny andraikiny izy mivady rehefa manao ny asa ratsiny. Maro ireo moto halatra efa azon’izy ireo, araka ny nambarany nandritra ny famotoran’ny zandary. Miray tsikombakomba amin’ireo mpividy moto halatra izy ireo. Eo am-pikarohana ireo mpiray tsikombakomba amin’izy mivady ny zandary. Ankoatra ny famakiana trano, ireo moto mipetrapetraka eny amoron-dalana no tena jonoin’izy ireo, raha ny nambarany teo anoloan’ny mpanao famotorana. Nogiazana avy hatrany ilay entana halatra. Nentina niakatra fampanoavana izy roa ireo ka samy notanana eny am-ponja miandry ny fitsarana azy.
Tsiferana R.