Fampiroboroboana ny fizahantany : mandray anjara amin’ny “Salon WTM” i Madagasikara

Sehatra iray anisan’ny miantoka ny fampandrosoana ny firenena ny fampiroboroboana ny fizahantany. Mandray anjara amin’ny “word travel market” atao any Londres i Madagasikara, amin’ny alalan’ny Ofisim-paritry ny fizahantany ao Nosy Be.

Andro fahatelo sady farany amin’ny “Salon Word travel market (WTM) London 2023” any Excel, anio. Anisan’ny mandray anjara amin’ity foara ity i Madagasi­kara. Hita any an-toerana ny ofisim-paritry ny fizahantany ao Nosy Be, mampahafantatra ny Nosy malagasy fa indrindra amin’ny fampiroboroboana ny sehatry ny fizahantany. Foara goavana mampiray ny firenena maro maneran-tany ny hetsika WTM entina hampahafantarana ireo toerana miavaka sy tsara tsidihina ary hialana sasatra. Fotoana ihany koa hanararaotan’ireo mpandraharaha hikarohana mpiara-miombon’antoka. Seha-pihariana mifandray sy mifanampy amin’ny fampandrosoana ma­haritra an’i Madagasikara ny fizahantany.

Ankehitriny, vao manomboka miarina ity sehatra ity taorian’ny covid-19. Tanjona rahateo ny hahatrarana 1 000 000 mpizahatany amin’ny taona 2028. Mano­didina ny 157 368 ireo mpizahatany tonga teto Madagasi­kara nandritra ny sivy volana voalohan’ity taona ity, araka ny antontanisa navoakan’ny minisiteran’ny Fizahantany. Ny volana septambra teo, miisa 22 975 ireo mpizahatany tonga teto Madagasikara. Nitombo 9 000 isa izany raha oharina tamin’ny volana septambra tamin’ny taon-dasa.

Fihaonana
Nandray anjara tamin’ny hetsika “World travel and tourism council (WTTC) Global Summit 2023” tany Kigali Rwanda, ihany koa i Mada­gasikara, ny 1-3 novambra teo, tamin’ny alalan’ny Con­fédération du tourisme de Madagascar (CTM).
Nisolo tena ny firenena malagasy ny filoha lefitry ny CTM, Raza­fimahefa Tojo, sy ny tale mpanatanteraka, Ratovo­malala Lova. Loha­hevitra noresahina nandritra izany ny fomba fampiroboroboana ny fizahantany taorian’ ny Covid-19.

Henintsoa Hani

Partager sur: